Hijery ny anatiny

30 AOGOSITRA 2018
KOREA ATSIMO

Mandinika ny Momba An’ireo Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo

Mandinika ny Momba An’ireo Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo

Nandinika ny raharaha momba an’ireo Vavolombelon’i Jehovah telo tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo, ny alakamisy 30 Aogositra 2018. Efa hatramin’ny ela i Korea no nanagadra an’ireo tsy manao miaramila ka lasa adihevitra be ilay izy. Nandany adiny efatra àry ireo mpitsara 13 mba hanadihadiana ny mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa. Nodinihin’izy ireo akaiky koa ilay didy navoakan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana tamin’ny 28 Jona 2018, hoe tokony hampidirin’i Korea ao amin’ny lalàny hoe afaka manao fanompoana sivily izay tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany fa tsy gadraina toy ny mpanao heloka bevava. Nangatahin’ireo mpisolovava ilay Fitsarana mba hamoaka didy hoe tsy meloka ireo rahalahintsika telo. Ho hitan’ireo fitsarana ambany kokoa, amin’izay, izay atao momba an’ireo raharaha 900 mahery mbola mihantona. Anjaran’ny Fitsarana Tampony izao ny manapa-kevitra hoe inona ny didy havoakany momba an’ireo raharaha telo nodinihiny ireo ary rahoviana izy no hanambara an’izany.

Be fanantenana isika ary mbola vonona hiandry foana an’ilay Andriamanitry ny famonjena antsika, miaraka amin’ireo rahalahintsika tsy mivadika 100 mahery any am-ponja.—Mika 7:7.