12 DESAMBRA 2014
KOREA ATSIMO
Fivoriambe Iraisam-pirenena Tany Séoul Namoahana Baiboly Vaovao
SÉOUL—Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Katsaho Foana Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra!” Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny koreanina. Natao tamin’ny 6-8 Septambra 2014 izy io, tao amin’ilay kianja niadiana ny amboara eran-tany tamin’ny lalao baolina kitra. Nizarana Baiboly maimaim-poana ireo mpanatrika 56867, sy ireo 59091 nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny satelita tany Busan, Daejeon, Gwangju, Jeju, Suwon, ary Yeosu. Nilaza i Joon-yeong Choi, iray tamin’ireo mpanatrika, fa “ny namoahana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina no fotoana tsy hay hadinoina indrindra tamin’io fivoriambe io.”
Nisy Vavolombelona avy any Etazonia, Failandy, Kanada, Philippines, ary Polonina tonga nanatrika an’ilay fandaharana. Hoy i Dae-il Hong, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea: “Fotoan-dehibe tena mahafaly sady andraisana fianarana izy io, ka niasa mafy izahay rehefa nanomana azy. Tsara lavitra noho ny nantenainay anefa ilay izy. Tombontsoa be ny nampiantrano an’io fandaharana manokana io.”
Faly be ireo mpanatrika tao amin’ilay kianja rehefa nahita hoe hay dobo fanaovana batisa ny telo tamin’ireo Baiboly lehibe nandravaka an’ilay kianja. Nisy 630 ny natao batisa tao Séoul, ary 596 ny tany amin’ireo toerana enina, izany hoe 1226 raha atambatra.
Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:
Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000
Repoblikan’i Korea: Dae-il Hong, tel. +82 31 690 0033