Hijery ny anatiny

30 NOVAMBRA 2018
KOREA ATSIMO

Nafahana avy Tany Am-ponja ny Rahalahy Koreanina

Nafahana avy Tany Am-ponja ny Rahalahy Koreanina

Nanao tatitra ny sampan’i Korea hoe rahalahy 57 no nafahana avy tany am-ponja, tamin’ny 30 Novambra 2018, ary tafaraka amin’ny fianakaviany indray izy ireo izao. Faly ny rahalahy maneran-tany tamin’iny zava-nitranga tena niavaka iny, ary midera an’i Jehovah koa izy ireo noho izy tsara fanahy sy mitahy antsika.—Nomery 6:24-26.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy fito mbola any am-ponja isika. Manantena izy ireo hoe hafahana rehefa avy migadra enim-bolana, na dia herintaona sy tapany aza ny saziny.

Rahalahy tafahaona amin’ny ray aman-dreniny indray (ankavia sy ankavanana). Rahalahy iray adinadinin’ny mpanao gazety eo ivelan’ny fonja (afovoany).