Hijery ny anatiny

19 OKTOBRA 2016
KOREA ATSIMO

Tsy Manameloka An’ireo Tsy Mety Manao Miaramila ny Fitsarana Ambony any Korea Atsimo

Tsy Manameloka An’ireo Tsy Mety Manao Miaramila ny Fitsarana Ambony any Korea Atsimo

Namoaka didy ny fitsarana ambony ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Gwangju tamin’ny 18 Oktobra 2016, fa tsy meloka i Hye-min Kim sy Lak-hoon Cho ary Hyeong-geun Kim. Tsy nety nanao miaramila izy ireo satria tsy mety amin’ny eritreriny izany. Vavolombelon’i Jehovah izy telo lahy ireo, ary sambany ny fitsarana ambony any Korea Atsimo no namoaka didim-pitsarana hoe tsy meloka ny olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Hoy ilay mpitsara atao hoe Young-sik Kim: “Manaiky ny fitsarana hoe tsy nety nanao miaramila izy ireo noho ny zavatra inoany sy ny feon’ny fieritreretany. Manan-jo hifidy izay fivavahana tiany sy hanaraka izay mety amin’ny eritreriny ny olona, araka ny lalàm-panorenana. Tsy tokony hosazina àry izay manao izany.”

Raha tsy manaiky an’io didim-pitsarana io ny mpampanoa lalàna, dia hampakarina any amin’ny Fitsarana Tampony indray ilay raharaha. Efa misy raharaha 40 mahery mitovy amin’izany mihantona any amin’ny Fitsarana Tampony amin’izao. Nisy lehilahy maromaro tsy nety nanao miaramila koa mantsy, dia meloka izy ireo rehefa notsaraina. Hoy i Philip Brumley, mpanolo-tsain’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Marina fa mbola tsy mety manaiky hatramin’izao ny Fitsarana Tampony sy ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo hoe manan-jo tsy hanao miaramila ny olona iray raha tsy eken’ny eritreriny izany. Nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena anefa ny fitsarana ambony, ka nanaiky hoe manan-jo tsy hanao miaramila ny olona. Manamarina an’izany ny didim-pitsarana 500 mahery navoakan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona.”