Hijery ny anatiny

13 JOLAY 2016
KOREA ATSIMO

Mbola Nandefa Fitarainana Indray Ireo Vavolombelon’i Jehovah Migadra any Korea Atsimo

Mbola Nandefa Fitarainana Indray Ireo Vavolombelon’i Jehovah Migadra any Korea Atsimo

Tovolahy 50 mahery, any Korea Atsimo, no nandefa fitarainana tany amin’ny Fikambanana eo Anivon’ny Firenena Mikambana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny, nanomboka tamin’ny Janoary 2016. Tsy nety hanao miaramila mantsy izy ireo ka nogadrain’ny fanjakana koreanina. Nilaza ireo tovolahy ireo fa tsy rariny ny nataon’ny fanjakana, satria manan-jo ara-dalàna hanaraka an’izay fivavahana tiany, sy izay lazain’ny feon’ny fieritreretany izy ireo.

Anton’ilay fitarainana

Samy efa niteny na io fikambanana io na ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, fa “tsy ara-drariny” ny managadra olona tsy mety hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. a Arak’ilay didim-pitsarana navoakan’io komity io tamin’ny 2014, dia tsy tokony hanagadra an’ireo tsy manaiky hanao miaramila intsony ny fanjakana any Korea Atsimo. Tokony honerany koa, hono, izay tsy nety nataony tamin’ireo tovolahy nogadrainy, sady tsy tokony hosoratany any amin’ny taratasy mombamomba azy ireo hoe efa nigadra ry zareo. Io didim-pitsarana io àry no nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah 682, any Korea Atsimo, handefa fitarainana tany amin’ilay Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny. b

Miandry daholo na ny any Korea na ny firenena hafa

Resahin’ilay fikambanana amin’ny fanjakana any Korea Atsimo aloha ilay fitarainana. Rehefa mahazo fanazavana avy any amin’ny fanjakana izy, dia maneho ny heviny amin’izay. Raha hekeny hoe tena meloka tokoa ny fanjakana any Korea Atsimo satria managadra olona tsy ara-drariny, dia tsy maintsy hasainy mandray fepetra hanonerana an’izay rehetra nataony. Tsy azon’ny fanjakana atao intsony koa ny manameloka an’izay olona tsy mety hanao miaramila.

Efa mandinika an’ilay Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila koa izao ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo, ary efa hamoaka didim-pitsarana. Fantatr’io fitsarana io tsara fa efa 600 mahery ny fitarainana voarain’ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny. Fantany koa fa efa imbetsaka ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona no nampirisika an’i Korea Atsimo mba hanaiky hoe manan-jo tsy hanao miaramila ny olona, ka tokony havela hanao fanompoana sivily ho solon’izany. Firenena maro izao no miandry an’izay hataon’ny fitsarana tampony any Korea Atsimo, raha hanaiky ny zon’ny olona tsy mety hanao miaramila ihany izy na tsia.

a Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona. Hevitra noraisin’ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny. Hevitra No. 16/2008 (Torkia), ao amin’ny arsivan’ny ONU: A/HRC/10/21/Add.1, p. 145, feh. 38 (9 Mey 2008). Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona: Fanapahan-kevitra tamin’ilay raharaha hoe Young-kwan Kim et al. miady amin’i Korea, Fampitan-kevitra No. 2179/2012, ao amin’ny arsivan’ny ONU: CCPR/C/112/D/2179/2012, feh. 7.5 (15 Oktobra 2014).

b Tovolahy 631 tsy nety nanao miaramila, no nandefa fitarainana tamin’ny 2015, ary niampy 51 izany hatramin’ny 2016.