Hijery ny anatiny

Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo, tamin’ilay andro namoahany an’ilay didim-pitsarana manan-tantara.

13 JOLAY 2018
KOREA ATSIMO

Ela ny Ela ka Hahazo Rariny Ihany Ireo Tsy Manao Miaramila any Korea Atsimo

Ela ny Ela ka Hahazo Rariny Ihany Ireo Tsy Manao Miaramila any Korea Atsimo

Nandritra ny 65 taona be izao dia nogadraina foana ireo tanora kristianina tany Korea Atsimo satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Namoaka didy anefa ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana tamin’ny alakamisy 28 Jona 2018 hoe tsy mety ny fehintsoratra voalohany ao amin’ny Andininy faha-5 ao amin’ny Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila. Mbola tsy nasian’ny fanjakana fanompoana sivily azo asolo ny fanaovana miaramila mantsy.

Mpanao gazety eo ivelan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana. Manaraka akaiky ny fizotran’ilay raharaha ny mpanao gazety maro maneran-tany.

Mpitsara sivy izay notarihin’i Lee Jin-sung, Filohan’ny Fitsarana Tampony, no nandinika an’ilay lalàna ka mpitsara enina no nanaiky an’ilay fanapahan-kevitra ary ny telo kosa nitsipaka. Lasa mitovitovy amin’ny lalàna any amin’ny firenena hafa àry izao ny lalàna any Korea Atsimo satria mamela ny olona hino an’izay tiany hinoana sy hanapa-kevitra araka ny feon’ny fieritreretany.

Solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea, ao anatin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana, aloha kelin’ny nivoahan’ilay didy.

I Korea Atsimo no managadra betsaka indrindra amin’ny olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Na atambatra aza ny isan’ny olona migadra noho izany antony izany any amin’ny firenena hafa, dia mbola betsaka kokoa noho izany ny any Korea Atsimo. Nisy fotoana, rahalahy 500 hatramin’ny 600 isan-taona no nigadra tany. Rehefa avy nigadra ireny rahalahy ireny, dia lasa afa-baraka satria toy ny olona avy nanao heloka bevava. Sarotra amin’izy ireo koa ny mahita asa fivelomana, ary mbola misy olana hafa atrehiny.

Nametraka fitarainana tany amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana anefa ny rahalahy sasany, nanomboka tamin’ny 2011. Tsy manome safidy mantsy ny lalàna fa tsy maintsy gadraina izay tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nanomboka nieritreritra aza ny mpitsara sasany tamin’ny 2012 fa tsy mety raha hoe gadraina foana ny olona toy izany. Nalefan’izy ireny tany amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana àry ny raharaha sasany, mba handinihan’io Fitsarana io ny Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila.

Hong Dae-il, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea, adinadinina eo ivelan’ny fitsarana, taorian’ny nivoahan’ilay didy

Anjaran’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana ny mandinika hoe mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenan’i Korea ve ny lalàna iray sa tsia. Efa indroa izay (tamin’ny 2004 sy 2011) ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana no namoaka didy nanohana ny Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila nefa hitan’io Fitsarana io izao hoe tokony hovana ilay lalàna. Nandidy ny fanjakan’i Korea Atsimo io Fitsarana io hoe mila manitsy an’ilay lalàna izy ireo alohan’ny faran’ny taona 2019 ka hamela ny olona hifidy ny hanao fanompoana sivily raha tsy te hanao miaramila izy. Mety ho azon’izy ireo atao, ohatra, ny miasa any amin’ny hopitaly na manao asa hafa tsy misy ifandraisany amin’ny tafika nefa mahasoa ny fiaraha-monina.

Tena zava-dehibe ilay fanapahan-kevitra satria izao no nambaran’ny Rahalahy Hong Dae-il, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea: “Ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana, izay fitsarana ambony indrindra miaro ny zon’olombelona, no mandidy ny fitondram-panjakana mba hitady vahaolana. Efa tsy andrin’ny rahalahintsika izao ny hanampy ny fiaraha-monina ka hanao fanompoana sivily mety amin’ny feon’ny fieritreretany sady mitovy amin’izay atao any amin’ny firenena hafa.”

Mbola misy rahalahy 192 migadra izao satria tsy mety manao miaramila, ary raharaha 900 be izao no mbola mihantona any amin’ny fitsarana samihafa. Tsy maintsy miandry izy ireo hoe inona no ho vokatr’io fanapahan-kevitra io eo amin’izy ireo.

Vokatr’iny fanapahan-kevitra nataon’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana iny dia azo inoana hoe hamela ny olona handà tsy hanao miaramila ny Fitsarana Tampony. Ny mpitsara rehetra ao amin’ny Fitsarana Tampony no handinika an’ity raharaha ity, ary miankina amin’izay didim-pitsarana avoakany eo no hitsarana ny olona tsirairay.

Handinika an’io raharaha io ny Fitsarana Tampony amin’ny 30 Aogositra 2018, ary hamoaka didim-pitsarana aorian’izay. Sambany ny mpitsara rehetra ao amin’io Fitsarana io no hiaraka handinika raharaha momba ny tsy fanaovana miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, tato anatin’izay 14 taona izay.

Efa eo am-pikarakarana ny fanovana ny Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila koa izao ny Antenimieram-pirenena any Korea.

Hoy ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: “Efa tsy andrintsika ny hihainoana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony. Vonona higadra ny rahalahintsika any Korea satria fantany fa ‘raha misy olona mizaka fahoriana sy mijaly tsy ara-drariny, noho ny feon’ny fieritreretana eo anatrehan’Andriamanitra, dia ankasitrahana izany.’ (1 Petera 2:19) Miara-paly amin’izy ireo isika satria miaiky ihany ny fitsarana hoe tsy rariny ny natao tamin’izy ireo ary tena be herim-po izy ireo rehefa nanaraka ny feon’ny fieritreretany.”