Hijery ny anatiny

Migadra herintaona sy tapany ao amin’ny fonjan’i Daegu i Lee Gyo-won, Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy nety nanao miaramila. Miandry ny handinihan’ny Fitsarana Tampony an’ilay raharaha momba an’ireo tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, amin’ny 30 Aogositra, izy sy ireo Vavolombelona 100 mahery mbola migadra.

24 AOGOSITRA 2018
KOREA ATSIMO

Mahavelom-panantenana ny Olona Tsy Mety Manao Miaramila ny Zavatra Hataon’ny Fitsarana Tampony Tsy ho Ela

Mahavelom-panantenana ny Olona Tsy Mety Manao Miaramila ny Zavatra Hataon’ny Fitsarana Tampony Tsy ho Ela

SÉOUL, Korea Atsimo—Niakatra fitsarana i Lee Gyo-won, 21 taona, tamin’ny Janoary 2017. Nanantena izy fa tsy hoterena hanao miaramila ary efa nomaniny tsara ny zavatra holazainy. Te handresy lahatra ny mpitsara izy hoe tsy te handika lalàna akory izy matoa tsy mety manao miaramila. Mino mafy kosa izy fa tsy tokony hahery setra ny olona.

Vavolombelon’i Jehovah Atoa Lee, ary kelikely ihany ny fanantenany. Tamin’izy notsaraina mantsy, dia Vavolombelona 392 no nigadra noho izy ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, ary voaheloka higadra 588 taona izy ireo amin’ny fitambarany. Maherin’ny 19340 ny mpiara-mivavaka amin’Atoa Lee nigadra nanomboka tamin’ny 1950, ary voaheloka higadra 36800 taona eo ho eo izy ireo raha atambatra. Mieritreritra mantsy ny mpitondra koreanina fa tsy fialan-tsiny tsy hanaovana miaramila ny antony ara-pivavahana.

Nanomboka tamin’ny 2004 anefa dia nisy mpitsara sasany nieritreritra hoe tsy rariny raha tonga dia gadraina foana izay tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Namoaka didy àry izy ireo hoe tsy meloka ny 90 tamin’ireo nogadraina ireo. Anisan’ireo mpitsara ireo i Choi Jong-du, ao amin’ny fitsarana ambony any Busan. Hitany hoe misy vokany lalina eo amin’ny feon’ny fieritreretan’ny olona iray ny zavatra inoany, dia izay no mahatonga azy tsy hanao miaramila.

Namoaka didy ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo tamin’ny Jona 2018 fa tokony hamboarina ny Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila mba ho afaka hanao fanompoana sivily ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.  a Tena niavaka io fanapahan-kevitra io, saingy tara loatra ilay izy ho an’Atoa Lee. Hoy izy: “Migadra atỳ amin’ny fonjan’i Daegu ihany ity no niafarako na dia efa nampakatra foana an’ilay raharaha teny amin’ny fitsarana aza aho.” Herintaona sy tapany ny sazy efainy.

Anisan’ireo Vavolombelona koreanina be dia be nogadraina satria tsy mety manao miaramila Atoa Lee. Efa tamin’ny fotoana nanjanahan’i Japon an’i Korea izany no nanomboka. Nisy tanora Vavolombelona roa nogadraina tany Japon, tamin’ny 1939, satria tsy nety nanao miaramila. Nosamborina koa avy eo ny Vavolombelona hafa tany Japon sy Taïwan ary Korea (Chosun no niantsoana azy tamin’izany). Tsy nety nanome voninahitra ny mpanjaka japoney ireo Vavolombelona 38 nogadraina tany Korea sady tsy nanohana ny ady. Maty tany am-ponja ny dimy tamin’izy ireo satria nijaly be, fa ny ankamaroany kosa nafahana rehefa resy tamin’ny Ady Lehibe II i Japon tamin’ny 1945.

Vitsivitsy amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah 19340 nigadra satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Efa zato taona mahery izay ny Vavolombelona no tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Manaraka an’izay lazain’ny Baiboly sy ny modelin’ny Kristianina voalohany izy ireo, ka mino hoe tsy mety amin’ny Kristianina ny mandeha miady satria tsy manan-jo hamono olona izy ireo. Tsy manao politika koa ny Vavolombelona satria vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’ny Ady Lehibe I ny Vavolombelona (Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena no nahafantarana azy tamin’izany) no nanomboka tsy nety nandeha niady noho ny zavatra inoany, ary nogadraina izy ireo vokatr’izany. Vavolombelona 400 teo ho eo, tany Grande-Bretagne, no tsy nety nandeha rehefa nantsoin’ny fanjakana hanao miaramila. Tany Etazonia no nisy Vavolombelona betsaka indrindra nigadra nandritra ny Ady Lehibe II satria nahatratra 4440 ny fitambarany.

Be dia be ny ohatra nampiseho hoe tena tapa-kevitra ny tsy homba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny tena niavaka indrindra angamba dia ny tamin’ny fitondran’ny Nazia izay tena nampijaly azy ireo. Vavolombelona 400 teo ho eo no novonoin’ny Nazia, ary maro tamin’ireo no tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Vavolombelona 1000 mahery koa no maty satria nampijalina tany amin’ny toby fitanana sy tany am-ponja, noho ny finoany. Nilaza ilay mpahay tantara antsoina hoe Robert Gerwarth fa ‘izy ireo ihany no olona nenjehina noho ny zavatra inoany ara-pivavahana, nandritra ny fitondran’i Hitler.’

Ny Vavolombelona koreanina anefa no nijaly ela indrindra noho izy ireo tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Maty tampoka ny dadan’Atoa Lee tamin’izy valo taona, ary ny reniny no nampianatra Baiboly azy sy nanoro azy hoe zava-dehibe ny manaraka an’izay lazain’ny feon’ny fieritreretana. Hoy Atoa Lee: ‘Lasa tia an’i Jehovah Andriamanitro aho rehefa azoko tsara ny antony namoronana antsika. Nanomboka teo dia ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra tamiko.’

Efa nampoizin’Atoa Lee hoe mety higadra izy, ka mpanao trano no asa nofidiny. Te hanao asa tena mantsy izy satria fantany fa ho sarotra aminy ny mitady asa rehefa avy migadra.

Nahatsiaro an’ilay andro nitsarana azy Atoa Lee. Hoy izy: “Tena tiako hoporofoina hoe tsy meloka aho, satria vokatry ny foko ilay fanapahan-kevitro sady mifanaraka amin’ny zavatra inoako sy ny feon’ny fieritreretako.” Nisaintsaina ny ohatr’i Stefana sy Paoly, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, izy. Nahavita niaro ny finoany mantsy izy ireo teo anatrehan’ny fitsarana. Hoy Atoa Lee: “Tsaroako hoe niteny indroa aho, hoatran’ny tamin’ilay fanazaran-tena nataoko mihitsy.”

Amin’ny 30 Aogositra 2018 no hodinihin’ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo ilay didy navoakan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana mba hitsinjovana an’ireo tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Hisy vokany be eo amin’ireo raharaha 900 mbola mihantona any amin’ny fitsarana samihafa izay didy havoakan’ny Fitsarana Tampony eo. Ankoatra izany, dia Vavolombelona 117 no mbola migadra, anisan’izany Atoa Lee, ary miandry ny famotsoran-keloka nangatahana tamin’ny filoham-pirenen’i Korea Atsimo izy ireo. Hanaraka akaiky ny fizotran’ilay raharaha hodinihin’ny Fitsarana Tampony Atoa Lee, amin’ny 30 Aogositra, na dia mety ho mbola any amin’ny fonjan’i Daegu aza izy amin’io.

Marina fa voaheloka higadra Atoa Lee sady nolavina ny fangatahany hampakatra fitsarana. Manantena foana anefa izy fa mbola hihatsara ny zavatra iainan’ireo mpiara-mivavaka aminy. Hoy izy: “Mino aho fa izaho no ho anisan’ireo farany gadraina satria hoe tia ny hafa, sady indrindra indrindra tia an’Andriamanitra sy ny fitsipiny.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: Paul S. Gillies, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Korea Atsimo: Hong Dae-il, +82-31-690-0055