Hijery ny anatiny

27 NOVAMBRA 2012
KOREA ATSIMO

Mankalaza ny Faha-100 Taonany Tany Korea ny Vavolombelon’i Jehovah

Mankalaza ny Faha-100 Taonany Tany Korea ny Vavolombelon’i Jehovah

SÉOUL, Korea—Feno 100 taona tamin’ny Novambra 2012 ny nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Korea Atsimo, ka mankalaza an’izany ireo Vavolombelona 100 000 mahery any. Manao ezaka manokana àry izy ireo ka mizara taratasy mivalona amin’ny olona mba hanamarihana an’izany. Miloko ilay taratasy mivalona efatra pejy ary mamintina ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea Atsimo, sy manazava an’izay ataon’izy ireo ho an’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana izao.

Nanomboka nampianatra Baiboly tany Korea ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1912. Efa ho 700 000 ny Baiboly koreanina nataon’ny Vavolombelona pirinty hatramin’izay. Olona 70 000 mahery isan-kerinandro koa no ampianarin’izy ireo Baiboly maimaim-poana any an-tranony. Misy 1 300 mahery ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any, ary mivory isan-kerinandro izy ireo mba hianarana ny toro lalan’ny Baiboly. Azon’ny besinimaro atrehina ireny fivoriana ireny. Efa hatramin’ny ela koa ny Vavolombelona any Korea no nandamina fivoriambe isan-taona, ary tamin’ny 1954 ny voalohany. Tsy amin’ny teny koreanina ihany no anaovana an’ireny fandaharana ireny, fa amin’ny tenin’ny tanana koreanina koa, nanomboka tamin’ny 1997. Nandamina fivoriambe iraisam-pirenena tany Séoul ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2009. Nisy 58 000 mahery ny mpanatrika, ka solontena avy any amin’ny tany 11 ny 6 500 mahery. Nasiana biraon’ny sampan’ny Vavolombelona tany Séoul, nanomboka tamin’ny 1953.

Hoy i Dae-il Hong, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea: “Manamarika an’ireo 100 taona nanampiana ny mpiara-monina ity jobily ity.” Nanazava izy hoe: “Mino izahay fa raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny olona dia ho mafy ny fatoram-panambadiany, ho sambatra kokoa ny fianakaviany, ary hiray saina ny mpiara-monina. Mbola vonona hanampy ny mpiara-monina izahay amin’ireo taona maro ho avy.”

Filazam-baovao:

J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Repoblikan’i Korea: Dae-il Hong, tel. +82 10 3951 0835