Hijery ny anatiny

10 NOVAMBRA 2015
KOREA ATSIMO

Dinihin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana ny Fomba Itondran’i Korea Atsimo An’ireo Mandà Tsy Hanao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretana

Dinihin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana ny Fomba Itondran’i Korea Atsimo An’ireo Mandà Tsy Hanao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretana

Nisy fivoriana nataon’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo, tamin’ny 9 Jolay 2015. Nila nodinihina mantsy ny fitarainan’ny olona telo mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Nitaraina izy ireo satria tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ny fomba itondrana azy ireo. Ahoana no mety handresena lahatra an’ilay Fitsarana mba hanaiky ny zon’ny olona hanaraka ny feon’ny fieritreretany? Amin’izay mantsy i Korea Atsimo mety hamela ny olona any aminy hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila. Voafintina ao amin’ity video ity ilay fivoriana sy ireo olana atrehin’ilay Fitsarana.