8 JANOARY 2021
KROASIA
Horohoron-tany Nandravarava Tany Kroasia
Toerana
Tany akaikin’ny tanànan’i Petrinja, 50 kilaometatra any atsimon’i Zagreb, Kroasia
Zava-nitranga
Namely an’i Kroasia ny horohoron-tany mirefy 6,4 amin’ny maridrefy Richter, tamin’ny 29 Desambra 2020. Io no voalaza hoe horohoron-tany lehibe indrindra namely an’i Kroasia
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy naninona ireo mpitory 91 any
Nafindra toerana ny mpitory 29
Zavatra simba
Trano 9 no simba be
Trano 16 no misy simba kely
Misy simba kely ny Efitrano Fanjakana any Sisak
Fanampiana tra-boina
Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny sampan’i Kroasia. Miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra roa sy ny anti-panahy eo an-toerana ilay komity rehefa mampahery sy manome izay ilain’ireo tra-boina. Mitady toerana hipetrahan’ireo nafindra toerana koa izy ireo. Miezaka manaraka tsara ny fepetra ara-pahasalamana mifandray amin’ny COVID-19 izy ireo rehefa manao an’izany.
Mivavaka amin’i Jehovah foana isika mba homeny hery ireo rahalahintsika satria ilainy izany amin’izao fotoan-tsarotra izao.—1 Petera 5:10.