Hijery ny anatiny

24 MEY 2023
LETONIA

Naranty Tamin’ny Foara Momba ny Boky Tany Riga ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Teny Letonianina

Naranty Tamin’ny Foara Momba ny Boky Tany Riga ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Teny Letonianina

Maherin’ny 21 000 ny olona tonga tamin’ilay foara momba ny boky natao tamin’ny Martsa 2023, tany Riga, any Letonia. Fanimpitony tamin’io ny rahalahy sy anabavintsika no nandray anjara tamin’io foara io, ary io no voalohany taorian’ny nanombohan’ny valanaretina COVID-19. Faly be ry zareo fa afaka nampiseho Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo amin’ny teny letonianina, izay nivoaka tamin’ny 2020.

Nasongadina manokana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, tao amin’ilay tranoheva nampiasaintsika. Gaga ny mpitsidika rehefa nahafantatra fa ahitana an’ilay anarana hoe Jehovah ny Baiboly nadika voalohany tamin’ny letonianina, izay nivoaka tamin’ny 1689. Vao mainka gaga anefa ry zareo rehefa nahalala hoe miseho im-7 000 mahery ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo ny anaran’Andriamanitra, rehefa naverina ao amin’ny toerany.

Nanaitra ny sain’ny mpitsidika koa ny lafiny hafa tamin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsikaritry ny lehilahy iray miasa ao amin’ny orinasa iray mpanao pirinty hoe tena tsara ny akora nanamboarana an’ilay Baiboly. Nilaza izy fa hita be hoe tena natao hampiasaina isan’andro io Baiboly io.

Nahazo Baiboly iray tao amin’ilay tranoheva koa ny lehilahy iray. Nilaza izy taorian’izay hoe mampiaiky azy ilay dikan-teny maoderina sady mora vakina ampiasaina ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nitantara izy hoe efa niezaka namaky Baiboly ihany taloha saingy nijanona, satria sarotra azo ireo fandikan-teny novakiny. Efa tsy andriny izao ny hamaky ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao miaraka amin’ny zanany vavy. Nisy 130 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny letonianina voazara tao anatin’ny ilay telo andro nanaovana foara.

Rahalahy sy anabavy tao amin’ny tranoheva, tamin’ilay foara momba ny boky tany Letonia

Faly ireo nandray anjara tamin’ilay foara momba ny boky satria afaka nanampy olon-kafa hahafantatra kokoa momba ny Baiboly sy momba an’ilay Nampanoratra azy io. Falifaly erỳ ny anabavy iray niteny hoe: “Izay aho vao nahavita nanampy olona be dia be hahalala ny anaran’i Jehovah, ka hoe tao anatin’ny andro vitsivitsy hoatran’iny!”

Misy mpitory 2 100 izao any Letonia. Faly isika fa mandray soa amin’io dikan-teny maoderina io ireo mpitory ireo sy ny olon-kafa liana amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka vao mainka akaiky an’i Jehovah.​—Jakoba 1:17.