Hijery ny anatiny

18 NOVAMBRA 2019
MACÉDOINE AVARATRA

Ezaka Manokana: “Miampità Mankatỳ Makedonia”

Ezaka Manokana: “Miampità Mankatỳ Makedonia”

Nandamina ezaka manokana hitoriana amin’ny olona miteny masedonianina sy albaney ao amin’ny faritany iandraiketany ny sampan’i Macédoine Avaratra. Natao tamin’ny 1 Aogositra ka hatramin’ny 31 Oktobra 2019 ilay ezaka manokana.

Olona 1 300 000 mahery no miteny masedonianina any Macédoine Avaratra, ary 500 000 mahery no miteny albaney. Misy mpitory 1 300 any ka ny 1 000 eo ho eo amin’izy ireo no any amin’ny fiangonana miteny masedonianina ary 20 fotsiny no any amin’ny fiangonana albaney. Mpitory 476 no tonga tany Macédoine Avaratra mba hanampiana ny mpitory eo an-toerana tamin’ilay ezaka manokana. Avy any amin’ireto firenena fito ireto izy ireo: Albania, Alemaina, Aotrisy, Belzika, Italia, Soeda, ary Soisa.

Ilay boky Ampianarina amin’ny teny masedonianina, izay azon’ny mpiandry osy iray tamin’ny folo taona lasa

Nahita mpiandry osy iray teny an-dalana ny mpitory, tamin’ilay ezaka manokana. Rehefa fantatr’ilay rangahy hoe Vavolombelon’i Jehovah ilay mpitory dia navoakany avy any anaty kitapony ny boky Ampianarina. Nolazainy hoe Vavolombelon’i Jehovah avy tany Italia no nanome azy an’ilay boky tamin’ny ezaka manokana tamin’ny folo taona lasa. Nilaza koa izy hoe vakiny isan’andro ilay boky ary efa hainy tsianjery mihitsy aza ny toko sasany. Niezaka niverina nitsidika azy ny mpitory.

Mampahatsiahy antsika an’i Paoly ireo rahalahy sy anabavy be dia be miteny masedonianina sy albaney tonga nanampy. Tonga dia nanaiky mantsy i Paoly rehefa nilazana hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia.”—Asan’ny Apostoly 16:9.