Hijery ny anatiny

Misy trano fianarana (ankavia) sy trano fonenana (ankavanana) ilay toerana vaovao fanaovana sekoly eto Madagasikara

5 JOLAY 2023
MADAGASIKARA

Fitokanana Toerana Vaovao Fanaovana Sekoly Ara-baiboly any Madagasikara

Fitokanana Toerana Vaovao Fanaovana Sekoly Ara-baiboly any Madagasikara

Notokanana tamin’ny 27 Mey 2023 lasa teo ny toerana iray fanaovana sekoly ara-baiboly any Antananarivo, any Madagasikara. Tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray teny akaiky teny no natao ilay fitokanana. Ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Ny lohateniny hoe: “Trano Iray Hiderana An’i Jehovah.” Nisy fandaharana manokana natao tany amin’ny Efitrano Fivoriambe ny ampitson’iny, ary olona maherin’ny 45 000 no nijery an’ilay fandaharana mivantana tamin’ny alalan’ny Internet.

Rahalahy Kenneth Cook, (ankavia) manao ny lahateny fitokanana miaraka amin’ny mpandika teny

Natao tao amin’ny sampana foana ny sekoly ara-baiboly tany Madagasikara, nanomboka tamin’ny Desambra 1999. Be dia be anefa ny rahalahy sy anabavy vonona hampiofanina, dia lasa tsy ampy intsony ny toerana. Nividy tany 1 348 metatra toradroa tsy lavitra ny sampana àry ny fandaminana, tamin’ny Jolay 2020. Nanomboka naorina ilay trano fanaovana sekoly, taoriana kelin’izay. Vita tao anatin’ny roa taona ilay tetikasa, na dia teo aza ny fepetra momba ny fiparitahan’ny aretina COVID-19. Trano roa no naorina tamin’izany. Ny iray natao hanaovana sekoly ara-baiboly, dia ny iray indray natao hipetrahan’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Hatao ao amin’io toerana io ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana sy ny Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny.

Mihabetsaka izao ny fampiofanana ara-baiboly omena ny rahalahy sy anabavintsika. Hanampy azy ireo ‘hanazava zavatra araka ny fanahy amin’ny teny araka ny fanahy’ ny fampianarana omena amin’ireny fampiofanana ireny.​—1 Korintianina 2:13.