19 JANOARY 2024
MADAGASIKARA
Navoaka Tamin’ny Fiteny Telo any Madagasikara Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio
Navoaka tamin’ny teny tandroy, tankarana, ary vezo Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio, tamin’ny 7 Janoary 2024. Nisy fandaharana manokana natao tany amin’ireo faritra telo tena mampiasa an’ireo fiteny ireo any Madagasikara. Nahazo an’ilay Baiboly vita pirinty ny mpanatrika, ary azo nalaina tamin’ny endrika elektronika koa ilay izy.
Tandroy
Ny Rahalahy Rahajanirina Paul, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Madagasikara, no namoaka Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio tamin’ny teny tandroy. Tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ao amin’ny tanànan’Ambovombe ilay fandaharana no natao, ary nahatratra 442 ny mpanatrika. Nisy 681 fanampiny koa nanaraka an’ilay izy tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Efa 25 izao ny fiangonana sy antoko-mpitory miteny tandroy manerana an’i Madagasikara, ary rahalahy sy anabavy 662 no manompo ao amin’izy ireny.
Tankarana
Ny Rahalahy Rafalibera Rolland, anisan’ny Komitin’ny Sampana, no namoaka Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio tamin’ny teny tankarana. Tao amin’ny Efitrano Fivoriambe iray ao amin’ny tanànan’Antsiranana no nanaovana an’ilay fandaharana manokana namoahana an’io Baiboly io. Rahalahy sy anabavy 904 no nanatrika mivantana an’ilay izy, ary 1 218 no nanaraka tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Misy 28 izao ny fiangonana sy antoko-mpitory miteny tankarana any Madagasikara, ary rahalahy sy anabavy 1 000 mahery no manompo ao amin’izy ireny.
Vezo
Ny Rahalahy Christopher Thomas, anisan’ny Komitin’ny Sampana, no namoaka Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio tamin’ny teny vezo, nandritra ny fandaharana manokana natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ao amin’ny tanànan’i Toliara. Rahalahy sy anabavy 1 290 teo ho eo no nanatrika mivantana an’ilay izy, ary 305 no nanaraka tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Misy 20 izao ny fiangonana sy antoko-mpitory miteny vezo, ary rahalahy sy anabavy 706 no manompo ao amin’izy ireny.
Na dia toerana samy hafa aza no nanaovana an’ireo fandaharana ireo, dia nitovy ny zavatra tsapan’ireo rahalahy sy anabavy. Samy faly sy nankasitraka an’ilay bokin’i Matio voadika tamin’ny fiteniny ry zareo, satria mazava sy marina tsara ary mora vakina ilay izy.
Misaotra an’i Jehovah isika hoe nahazo an’io fandikan-teny vaovao io ireo rahalahy sy anabavintsika miteny tandroy sy tankarana ary vezo any Madagasikara. Hanampy an-dry zareo hidera an’Andriamanitra sy hampitombo ny finoany azy mantsy izy io.—Matio 5:3.