2 FEBROARY 2022
MADAGASIKARA
Nisy Oram-be Niteraka Tondra-drano Tany Madagasikara
Nisy oram-be nivatravatra tany Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, nandritra ny volana Janoary 2022. Niteraka tondra-drano izany ary betsaka ny tany nihotsaka sy ny trano nianjera. Mety mbola hitohy ny orana.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy mpiara-manompo naratra na maty
Mpitory 693, fara fahakeliny, no tsy maintsy niala ny tranony
Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba
Fanampiana tra-boina
Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) ny Komitin’ny Sampana mba handamina ny fanampiana tra-boina. Arahina tsara foana ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19
Miara-miasa ny KVRV sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy mba hanampiana ny mpiara-manompo ho akaiky an’i Jehovah foana sy hahazo an’izay ilainy, ohatra hoe toerana azo ipetrahana sy sakafo
Matoky isika fa ho “toerana voaro mafy” ho an’ny mpiara-manompo amintsika foana i Jehovah, amin’izao fotoan-tsarotra izao.—Salamo 31:2.