25 JANOARY 2018
MADAGASIKARA
Nandravarava An’i Madagasikara ny Rivo-doza Ava
Namely an’i Madagasikara ny Rivo-doza Ava, tamin’ny 5 Janoary 2018. Mbola tena miezaka miarina izao ny mponina atỳ. Araka ny tatitry ny manam-pahefana, dia olona 51, fara fahakeliny, no maty, ary an’arivony no tsy maintsy nafindra toerana.
Nilaza ny biraon’ny sampan’i Madagasikara hatreto fa tsy nisy mpiara-manompo namoy ny ainy. Trano 45 anefa, fara fahakeliny, sy Efitrano Fanjakana 6, no simba na rava tanteraka. Potika be koa ny fambolena, nefa izany no tena fiveloman’ny ankamaroan’ny mpitory. Natsangana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba hikarakara an’izay tena ilain’ireo mpitory tra-boina, ohatra hoe sakafo, akanjo ary trano fialofana vonjimaika. Nisy rahalahy roa avy any amin’ny biraon’ny sampana tonga tany amin’ny toerana ravan’ilay rivo-doza. Nivory niaraka tamin’ireo fianakaviana tra-boina izy ireo, ary niresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly mba hampaherezana azy ireo.
Manampy ny komitin’ny vonjy rano vaky koa ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe. Ny vola fanomezana ho an’ny asan’izy ireo maneran-tany no hakany mba hanampiana ny tra-boina. Mivavaka isika mba ho fialofana azo antoka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika ireo foana i Jehovah.—Salamo 9:9, 10
Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:
Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000
Madagasikara: Rinera Rakotomalala, +261-33-37-012-91