Hijery ny anatiny

Betela amin’izao any Lilongwe, any Malawi. Sary kely: Rahalahy Bill McLuckie, mpiasa voalohany tao amin’ny sampana tany Malawi (ambony ankavia); Manam-pahefana naka ny biraon’ny sampana tamin’ny 1967 (ambony ankavanana); Anabavy falifaly mitory amin’izao (ambany)

28 DESAMBRA 2023
MALAWI

Efa 75 Taona Lasa Izay no Nisy Biraon’ny Sampana Voalohany Tany Malawi

Niavaka ny Fiaretan’ireo Rahalahy sy Anabavy

Efa 75 Taona Lasa Izay no Nisy Biraon’ny Sampana Voalohany Tany Malawi

Efa 75 taona tamin’ny 2023 izay no nisy biraon’ny sampana voalohany tany Malawi. Tao amin’ny tanànan’i Blantyre no nisy an’ilay izy, tamin’ny 1948.

Ny sampan’i Afrika Atsimo no nandamina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Malawi, talohan’izay. Nitombo be ny isan’ny rahalahy sy anabavy tany Malawi, nanomboka tamin’ny taona 1930 tany ho any. Nisy 28 ry zareo tamin’ny 1934, nefa lasa 5 600 mahery tamin’ny 1948. Nosokafana àry ny biraon’ny sampana voalohany tany Malawi, tamin’ny 1 Septambra 1948. Tao amin’ny trano iray nohofana tao Blantyre ilay izy no natao, dia io foana no nampiasaina hatramin’ny 1958. Nisy Betela naorina teo akaiky teo tamin’io taona io, dia io indray no nampiasaina nanomboka teo.

Ankavia: Mpandika teny amin’ny teny chichewa sy tumbuka eo ivelan’ilay biraon’ny sampana naorina tamin’ny 1958. Anisan’izany i Baston Nyirenda (sary ao anaty boribory), anisan’ny Komitin’ny Sampana any Malawi amin’izao. Ankavanana: Baston, 80 taona, sy Violet vadiny, amin’izao

Folo taona latsaka taorian’izay, izany hoe tamin’ny Oktobra 1967, dia noraran’ny manam-pahefana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Malawi. Tsy azo nampiasaina intsony ny biraon’ny sampana, vokatr’izany. Mbola nanohy nandamina ny asa fitoriana sy nikarakara ny mpiara-manompo eran’i Malawi foana anefa ny rahalahy nanana andraikitra tany, na dia teo aza izany. Nenjehina sy nampijalina be ny Vavolombelon’i Jehovah tany nandritra ny 26 taona taorian’izay, satria tsy nety nomba ny atsy na ny aroa. Nampiharana herisetra be mihitsy ry zareo tamin’izany. Nogadraina ry zareo, nampijalina, ary novonoina ho faty mihitsy aza. Lasa nitsoaka tany amin’ny firenena manodidina ny rahalahy sy anabavy sasany, ohatra hoe tany Mozambika, Zambia, ary Zimbabwe.

Rahalahy sy anabavy mandika boky sy gazety ara-baiboly amin’ny teny chichewa

Foana ihany ilay fandrarana, tamin’ny 12 Aogositra 1993. Nanampy tamin’ny fandaminana ny asa tany ny rahalahy tany Zambia, nandritra ny roa taona nanaraka. Efa nandamina ny asa tany Malawi nandritra ny taona vitsivitsy ihany moa ireo rahalahy ireo, tamin’ny mbola voarara ny asa tany. Nividy trano roa tao amin’ny tanànan’i Lilongwe ny rahalahintsika taorian’izay, dia io indray no lasa biraon’ny sampana vaovao tany Malawi. Nanaiky ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1994 hoe hitady toerana mety tsara dia hanorenana Betela vaovao eo amin’ilay izy. Tamin’ny 19 Mey 2001 no notokanana ilay biraon’ny sampana vaovao, dia rahalahy sy anabavy 2 000 mahery no nanatrika an’ilay fandaharana. Be dia be tamin’ireo mpanatrika ireo no niaritra an’ilay fanenjehana an-taonany maro nefa tsy nivadika mihitsy. Anisan’ireo nanatrika an’ilay fitokanana, ohatra, ny Rahalahy Trophim Nsomba, nanao ny asan’ny faritra nandritra an’ilay fandrarana. Hoy izy momba an’ilay Betela vaovao sy ny fitomboan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Malawi: “Tena tsara ireny fitahian’i Jehovah ireny! Hoatran’ny hoe manonofy izahay mivady mahita an’ilay izy!”

Misy fiangonana 1 924 izao any Malawi, dia rahalahy sy anabavy 109 000 mahery no manompo any. Tafiditra amin’izany ireo mpiara-manompo 225 manompo ao amin’ny sampan’i Malawi any Lilongwe. Mandika ny boky sy gazetintsika amin’ny fiteny fito ry zareo ao.

Rahalahy sy anabavy sasantsasany, anisan’ireo 109 000 manompo an’i Jehovah any Malawi amin’izao

Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah foana ny rahalahy sy anabavy malalantsika any Malawi, satria ry zareo niaritra an-taonany maro dia nampiseho hoe mpanompon’Andriamanitra.​—2 Korintianina 6:4.