Hijery ny anatiny

25 AOGOSITRA 2023
MALAWI

Navoaka Tamin’ny Fiteny Chichewa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Navoaka Tamin’ny Fiteny Chichewa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Navoaka tamin’ny fiteny chichewa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, tamin’ny 18 Aogositra 2023. Ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namoaka an’ilay izy tamin’ny andro voalohany nandritra an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2023 hoe “Manàna Faharetana”!, izay natao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe ao Lilongwe, any Malawi. Nahazo Baiboly vita pirinty ny mpanatrika, ary afaka naka an’ilay izy tamin’ny endrika elektronika tamin’ny JW Box.

Nalefa mivantana tamin’ny alalan’ny Tele JW Satelita ilay lahateny namoahana an’ilay Baiboly. Afaka nanaraka an’ilay izy àry ny mpanatrika tany amin’ny kianja roa any amin’ny faritra afovoany sy atsimon’i Malawi, sy ny mpanatrika tany amin’ny toerana maro fanaovana fivoriambe any ambanivohitra, ary izay tany amin’ny ankamaroan’ny Efitrano Fanjakana any Malawi. Nalefa mivantana tamin’ny Internet koa ilay izy mba harahin’ny mpanatrika miteny chichewa, tany amin’ny Efitrano Fanjakana sasany any amin’ny faritr’i Mozambika. Faly erỳ ireo mpanatrika 77 112 nanatrika an’ilay izy tany amin’ireo kianja roa sy tany amin’ireo fanaovana fivoriambe any ambanivohitra, ankoatra an’ireo mpanatrika an’arivony nanaraka an’ilay izy tany amin’ny Efitrano Fanjakana.

Fiteny ampiasaina any Malawi ny chichewa, ary maherin’ny folo tapitrisa ny olona mampiasa azy io. Ampiasaina any amin’ny faritra sasany any Mozambika, Afrika Atsimo, Zambia ary Zimbabwe koa izy io. Navoaka tamin’ny 2006 Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny chichewa, ary tamin’ny 2010 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo. Faly be izao ny rahalahy sy anabavy satria manana Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny chichewa.

Nilaza ny mpitory iray hoe: “Maro amin’ny olona miteny chichewa hitanay eny am-pitoriana no manana Baiboly mampiasa fiteny ntaolo be. Matetika no tsy azon-dry zareo akory ny andinin-teny rehefa asainay vakiny avy ao amin’ny Baiboliny. Tsotra sy mora azo kosa anefa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Tsy andriko erỳ ny hampiasa an’ilay izy rehefa hanompo!”

Matoky isika fa hanampy ny mpiara-manompo sy ny olona liana miteny chichewa ho ‘finaritra amin’ny lalàn’i Jehovah’, ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina.​—Salamo 1:2.