Hijery ny anatiny

29 MEY 2020
MALAWI

Olona An-tapitrisany any Malawi no Afaka Manaraka ny Fivorian’ny Fiangonana Amin’ny Tele sy Radio

Olona An-tapitrisany any Malawi no Afaka Manaraka ny Fivorian’ny Fiangonana Amin’ny Tele sy Radio

Nanao fandaharana ny Komitin’ny Sampana any Malawi mba handefasana ny Fivorian’ny Fiangonana amin’ny tele sy radio. Tsy ireo rahalahy sy anabavintsika ihany àry no afaka manaraka an’ireny fandaharana ireny, fa ny olon-kafa koa. Misy 100 000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah any Malawi. Milaza anefa ny mpanolotra fandaharana ao amin’ny tele sy radio fa mety ho roa tapitrisa eo ho eo isaky ny faran’ny herinandro ny olona mijery tele, ary valo tapitrisa no mihaino radio.

Tsy mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana aloha izao ireo rahalahintsika any Malawi, hoatran’ny ataon’ny mpiara-manompo any amin’ny tany maro, satria mankatò an’ireo toromarika mifandray amin’ilay areti-mifindra COVID-19. Manana tele na radio ny ankamaroan’ny mpitory ao amin’ny fiangonana. Afaka manaraka ny fivorian’ny fiangonana amin’ny tele na amin’ny radio àry izay tsy afaka mampiasa Internet na tsy afaka mampiasa programa fanaovana vidéoconférence.

Amin’ny teny chichewa ireo fivoriana alefa amin’ny tele sy radio, satria izay no fitenin’ny ankamaroan’ny olona any Malawi. Misy mandika amin’ny tenin’ny tanana koa ny fandaharana iray manontolo alefa amin’ny tele. Tsy lahateny ihany no alefa rehefa Fivoriana ho An’ny Besinimaro, fa video koa na Tantara Henoina. Amin’ny faran’ilay fandaharana, dia asaina hitsidika ny tranonkala jw.org ny mpijery sy ny mpihaino mba hahazo fanazavana misimisy kokoa amin’ny fiteny hafa.

Nanitsy ny zavatra sasany noeritreretin’ny olona momba ny Vavolombelon’i Jehovah ireny fandaharana ireny. Izao no nosoratan’ny lehilahy iray: “Nihaino ny toriteninareo tao amin’ny radio aho, nandritra an’izay herinandro vitsivitsy izay. Voavaly tsara tamin’ireny hoe lainga ny zavatra aelin’ny olona momba anareo. Tsy mitovy amin’ny an’ny fivavahana hafa mihitsy ny toriteninareo, fa manohina ny fo!” Lasa mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izao ilay lehilahy sy ny fianakaviany.

Izao no nolazain’i Augustine Semo, mpandrindra ny asan’ny Biraon’ny Filazam-baovao any Malawi: “Tena manampy be an’ireo rahalahintsika hanohy ny zavatra fanaony mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah ireny fandaharana alefa amin’ny tele sy radio ireny. Fa be dia be koa ny olona tsy Vavolombelona lasa mahafantatra ny zavatra ianarantsika ao amin’ny Baiboly. Manantena izahay hoe ho be dia be ny olona vaovao hiaraka aminay any amin’ny Efitrano Fanjakana, rehefa miverina amin’ny laoniny ny fiainana eto Malawi.”

Faly isika mahafantatra hoe mahazo sakafo ara-panahy ny Vavolombelona namantsika sy ny olon-kafa any Malawi, amin’izao andro sarotra izao. Vao mainka izany mahatonga antsika hankasitraka ny “mpanompo mendri-pitokisana”, satria ataony izay hahazoantsika rehetra sakafo ara-panahy.—Matio 24:45.