Hijery ny anatiny

Fitoriana tany Malta talohan’ny valanaretina

7 FEBROARY 2022
MALTA

Voasoratra Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Malta

Voasoratra Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Malta

Vao tsy ela izay, dia nekena ho ara-dalàna ny fikambanana vaovao iray antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah any Malta (JW-Malta). Tamin’ny 28 Desambra 2021 ny JW-Malta no nahazo Taratasy Fanamarinana hoe Olona Ara-dalàna. a

Efa tamin’ny taona 1970 tany ho any no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Malta. Tsy nekena ho ara-dalàna mihitsy anefa ireo fiangonana tany, nandritra ny taona maro, na zara raha nekena ho ara-dalàna. Sahirana be àry ny fiangonana rehefa te hividy trano na tany, ary na dia hoe hanokatra kaonty any amin’ny banky aza. Nekena ho anisan’ny fikambanana tsy ofisialy tany Malta ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena (IBSA), tamin’ny 1994. Nisy zo nananan’ny IBSA ihany vokatr’izay, saingy voafetra be. Efa nekena ho ara-dalàna anefa izao ny JW-Malta, ka manamora ny asan’ny biraon’ny Komitin’ny Tany sy ny fiangonana rehetra any Malta izany.

Anisan’ny Komitin’ny Tany any Malta ny Rahalahy Joe Magri. Izao no nolazainy rehefa mieritreritra an’ilay fikambanantsika hoe voasoratra ara-dalàna izy: “Tena nanatanjaka ny finoako ny nahita hoe notahin’i Jehovah isika, dia lasa fikambanana ara-dalàna. Nampiasainy mba hanampy anay ireo rahalahy tao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna tany Grande-Bretagne sy tany amin’ny Foibe, ka vita soa aman-tsara ilay izy. Faly be izahay izao fa afaka mampandroso bebe kokoa ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Vao mainka koa izahay afaka midera an’i Jehovah, satria ahitana ny anarany ao amin’ny anaran’ilay fikambanana ara-dalàna vaovao.”

Soratra fampahafantarana ny JW-Malta eo ambonin’ny varavarana miditra ao amin’ny biraon’ny Komitin’ny Tany any Malta

Misy Vavolombelona 800 mahery izao any Malta, ary 11 ny isan’ny fiangonana. Efa ho 2 000 taona lasa izay ny apostoly Paoly no nanomboka “nitory ny Fanjakan’Andriamanitra” tany Malta. Faly isika hoe mbola mandroso foana io asa io any sady ‘tsy misy manakantsakana.’​—Asan’ny Apostoly 28:1, 30, 31.

a Amin’ny resaka lalàna, dia mety hanondro olona na orinasa na vondrona hafa ilay hoe “olona ara-dalàna.”