Hijery ny anatiny

17 JANOARY 2023
MEKSIKA

Efa Misy Amin’ny Tenin’ny Tanana Meksikanina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Manontolo

Efa Misy Amin’ny Tenin’ny Tanana Meksikanina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Manontolo

Nampandrenesin’ny Rahalahy Armando Ochoa, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, hoe nivoaka Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo amin’ny Tenin’ny Tanana Meksikanina (LSM), ary efa azo alaina ao amin’ny jw.org sy ao amin’ny JW Library Sign Language. Nisy fandaharana manokana iray natao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tany El Tejocote, tamin’ny 1 Janoary 2023, dia tamin’io ny Rahalahy Ochoa no nilaza an’io vaovao tsara be io.

Rahalahy iray (ankavanana) mandika teny mandritra ny fandaharana namoahana an’ilay Baiboly. Mandika teny ho an’olona jamba sady marenina izy

Io no fivoriana mivantana be mpanatrika indrindra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Amerika Afovoany, taorian’ny nisian’ny valanaretina COVID-19. Rahalahy sy anabavy 2 317 no nanatrika mivantana an’ilay fandaharana. Nisy an’arivony koa no nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny Internet avy tany amin’ny Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana nanerana an’i Meksika.

Nanatrika an’ilay fandaharana koa Atoa Sergio Peña, manam-pahaizana momba ny Tenin’ny Tanana Amerikanina sy LSM, sy Rtoa María Teresa Vázquez, direkteran’ny fikambanana iray mikarakara olona manan-kilema any Yucatan.

Nilaza ny Atoa Peña hoe: “Tena misaotra ny Vavolombelon’i Jehovah eto Meksika aho. Lasa manana ... Baiboly manontolo amin’ny LSM izao ny marenina manomboka amin’ity 1 Janoary 2023 ity. Tena mahavariana ilay izy! Tena hoe ‘sangan’asa miavaka.’”

Nanomboka tamin’ny Aogositra 2008 no nadika tamin’ny LSM ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ka ny Soratra Grika Kristianina no nanombohana azy. Tonga dia navoaka foana izay boky vita, nandritra an’izay 14 taona izay. Io no Baiboly voalohany voadika manontolo amin’ny LSM.

Be dia be ny boky tao amin’ny Baiboly navoaka na dia tao anatin’ny COVID-19 aza, ka afaka nandray soa ny mpitory marenina. Nilaza ny rahalahy iray hoe: “Faly be aho hoe be dia be ny boky navoaka nandritra an’ilay valanaretina. Tena nataon’i Jehovah ampy sakafo ara-panahy izahay.”

Hoy ny anabavy marenina iray: “Talohan’ny nahazoanay an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny LSM dia tsy maintsy nandika andinin-teny ho an’ahy ny mpiara-manompo. Tsy nitovy anefa ny fomba namoahan-dry zareo andinin-teny, dia lasa sarotra be ny nitadidy azy. Fa izao aho tsy voatery miantehitra amin’olona intsony vao mahazo ny zavatra resahin’ny Baiboly.”

Matoky isika fa tena handray soa amin’ilay Baiboly manontolo ny mpiara-manompo amintsika marenina sy ireo tsy dia mandre tsara. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah ny ezaka ataon’izy ireo hizarana ny hafatra momba ny “hoavy tsara sy fanantenana.”​—Jeremia 29:11.