31 AOGOSITRA 2022
MEKSIKA
Misy 25 Izao ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana any Amerika Afovoany
Biraon’ny fandikan-teny mitokana (BFM) vaovao dimy no nosokafana tany Meksika, teo anelanelan’ny Janoary sy Jolay 2022. Lasa 25 izany izao ny BFM any amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Amerika Afovoany. Ho an’ireto fiteny ireto ireo BFM vaovao ireo: Tarascan, tzotzil, zapoteky (andilan-tany), otomi (lohasahan’i Mezquital), ary chol. Afaka mipetraka any amin’ny faritra be olona mampiasa an’ireo fiteny ireo amin’izay izao ny ekipa mpandika teny, satria efa misy BFM any. Mbola hisy BFM valo hafa koa hisokatra any Amerika Afovoany, atsy ho atsy. Tsy vitan’izay fa efa eo am-pamolavolana tetikasa hanorenana BFM 34 fanampiny ireo rahalahy.
Misy tombony be ilay hoe any amin’ny faritra be olona mampiasa an’ilay fiteny ny mpandika teny no mipetraka sy miasa. Anisan’ny mpandika teny amin’ny fiteny tzotzil, ohatra, ny Ranabavy Marcela Hernández, ary efa an-taonany maro izy no niasa tao amin’ny biraon’ny sampana. Hoy izy: “Voamariko hoe lasa nihasarotra nihasarotra ny fehezanteny nampiasaiko, tamin’izaho mbola tao amin’ny Betela. Amin’izao anefa henoko ny fomba firesaky ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonana sy ny fomba fitorin-dry zareo, dia lasa mampiasa teny tsotra kokoa aho rehefa mandika teny.”
Tsotsotra kely ireny tranon’ny BFM ireny nefa tena mahavariana ny olona satria madio sady tsara tarehy. Matetika ny mpandalo no mijanona kely dia mandinika an’ilay trano, ary misy aza maka sary mihitsy. Manana fivarotana kely eo ampitan’ny BFM ny vehivavy iray. Tena gaga izy rehefa nahafantatra ny asa atao ao, dia mba nodioviny foana koa ny fivarotany sady nofafany foana ny lalan’ny olona teo ivelan’ilay izy. “Eo ampitan’ny tranon’Andriamanitra [mantsy] no misy ahy”, hoy izy.
Tena hita hoe tahin’i Jehovah ny asa mafy atao ao amin’ireny BFM ireny. Misaotra azy isika satria tsy very maina mihitsy ny ezaka ataontsika amin’ny fandikan-teny.—Salamo 127:1.