2 NOVAMBRA 2023
MEKSIKA
Nandravarava ny Morontsiraka Atsimoandrefan’i Meksika ny Rivo-doza Otis
Namely ny morontsiraka atsimoandrefan’i Meksika, any akaikin’i Acapulco, ny Rivo-doza Otis, tamin’ny 25 Oktobra 2023. Tanàn-dehibe falehan’ny mpizaha tany i Acapulco. Efa betsaka ihany ny rivo-doza namely an’iny faritra any amin’ny Oseana Pasifika iny, fa ny Rivo-doza Otis irery hatreto no hoe vetivety kely dia lasa nahery be. Nahatratra 265 kilaometatra mahery isan’ora ny herin’ny rivotra nentiny. Avy be koa ny orana sady tondraka be ny rano. Be dia be ny lalana sy trano simba. Simba koa ny fitaovana mpamatsy herinaratra, dia olona an’arivony no tsy nanana herinaratra. Olona 45 teo ho eo no maty, fara fahakeliny.
Avy amin’ny tatitra voalohandohany nataon’ny rahalahy any an-toerana ny fanazavana eto ambany.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy mpiara-manompo maty na naratra
Rahalahy sy anabavy 10 000 mahery no mipetraka ao amin’ilay faritra tratran’ilay rivo-doza
Efitrano Fivoriambe 1 no simba be
Fanampiana tra-boina
Mampahery ny tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy, sady manampy an-dry zareo
Nisy solontena 4 avy amin’ny biraon’ny sampan’i Amerika Afovoany nitsidika an’ireo tra-boina mba hampahery azy ireo
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray no notendrena mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina
Mivavaka amin’i Jehovah isika mba hampiany hilamin-tsaina sy hahay hionona ireo rahalahy sy anabavintsika tra-boina tamin’ilay Rivo-doza Otis.—Filipianina 4:6, 7.