Hijery ny anatiny

1 NOVAMBRA 2019
MEKSIKA

Navoaka Tamin’ny Teny Maya Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Maya Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Daty miavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy 6500 miteny maya ny 25 Oktobra 2019. Navoaka tamin’io mantsy Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny maya. Ny Rahalahy Esteban Bunn, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, no namoaka an’ilay Baiboly nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Mérida, any Meksika. Natao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe any Mérida ilay fandaharana ary narahina mivantana tany amin’ny Poliforum Zamná, tao amin’io tanàna io ihany. Tena hanampy an’ireo rahalahy sy anabavy eny amin’ny fanompoana io Baiboly vaovao io. Misy 762000 eo ho eo ny olona miteny maya any Meksika sy Etazonia.

Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ihany no nisy tamin’ny teny maya, tamin’ny voalohany. Tamin’ny 14 Desambra 2012 izy io no navoaka ary efa ho 29000 no natao pirinty nanomboka tamin’izay.

Hoy ny mpandika teny iray: “Tena tia sy manaja ny Baiboly ny olona miteny maya. Be dia be anefa no tsy mahatakatra tsara an’izay vakiny amin’ilay fiteny. Niezaka nitady teny tsotra sy mazava fampiasan’ny olona andavanandro àry izahay.”

Sarotsarotra ihany ny asan’ny mpandika teny satria be dia be ny fitenim-paritra maya. Notsorina àry ny lohatenin’ilay Baiboly ka natao hoe Biblia ich maya, izay midika hoe “Baiboly amin’ny teny maya.” Misy fanamarihana ambany pejy 6000 mahery ao amin’ilay Baiboly, ary fomba hafa ilazana hevitra mitovy ny sasany aminy. Ho marina tsara, amin’izay, ny fahazoan’ny Maya rehetra ny andininy sasany.

Tena sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety” io Baiboly vaovao io, ary hanampy be an’ireo mpiara-manompo amintsika miteny maya rehefa mianatra samirery sy manompo izy ireo.—Matio 24:45.