Hijery ny anatiny

3 OKTOBRA 2019
MEKSIKA

Navoaka Tamin’ny Teny Zapoteky (Andilan-tany) Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Zapoteky (Andilan-tany) Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany San Blas Atempa, any Meksika, Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny zapoteky (andilan-tany), tamin’ny 27 Septambra 2019. Nisy 1983 ny mpanatrika ary tena faly be izy ireo rehefa nahazo an’ilay Baiboly vaovao. Ny Rahalahy Joel Izaguirre, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, no namoaka azy io. Tsara homarihina fa io no Baiboly voalohany nadika ho amin’ny teny zapoteky (andilan-tany) a misy an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

Nahita olana tsy mahazatra ny mpandika teny teo am-pandikana an’io Baiboly io. Rehefa nifindra kelikely tany amin’ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana (BFM) izy ireo dia nisy korontana ara-politika sy olona nitokona tany. Nisy vahoaka romotra nanakana ny fidirana tao amin’ilay faritra. Sarotra ny fiainana nandritra ny iray volana maninjitra ka nisy mosary. Soa ihany fa nanome sakafo an’ireo mpandika teny ny mpiara-manompo manana toeram-pambolena any amin’ny tanàna manodidina. Nisy olana hafa koa anefa. Nandravarava an’ilay faritra ny horohoron-tany iray nirefy 8,2 amin’ny maridrefy Richter, tamin’ny 7 Septambra 2017. Lasa nampidi-doza àry ny niasa tao amin’ilay BFM. Nanapa-kevitra ny sampan’i Amerika Afovoany hoe hafindra haingana ao amin’ny biraon’ny sampana ny mpandika teny. Nanao fivoriana amin’ny alalan’ny video koa ny rahalahy iray anisan’ny Filan-kevi-pitantanana mba hampaherezana ny ekipa mpandika teny rehetra.

Azo antoka hoe mbola be dia be ny Zapoteky hahazo “fahalalana marina tsara ny fahamarinana”, noho io Baiboly vaovao io.—1 Timoty 2:3, 4.

a Olona 85000 mahery any Meksika no miteny zapoteky (andilan-tany). Misy 50 mahery ny teny zapoteky.