Hijery ny anatiny

31 OKTOBRA 2019
MEKSIKA

Navoaka ho Amin’ny Teny Tzotzil Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka ho Amin’ny Teny Tzotzil Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tao amin’ny Poliforum any Tuxtla Gutiérrez, any Meksika, tamin’ny 25 Oktobra 2019. Tamin’izay no navoakan’ny Rahalahy Armando Ochoa, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tzotzil. Nalefa mivantana tany amin’ny Centro de Convenciones ilay fandaharana ka 3747 ny fitambaran’ny mpanatrika.

Navoaka tamin’ny 26 Desambra 2014 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tzotzil ary nozaraina tamin’ny olona miteny tzotzil. Mipetraka any an-tendrombohitra sy any amin’ny lemak’i Chiapas ny ankamaroan’izy ireo. Olona 16000000 mahery no avy amin’ny foko samihafa any Meksika ka ny 500000 eo ho eo no miteny tzotzil, anisan’izany ireo Vavolombelon’i Jehovah 2814.

Be dia be ny olana natrehin’ny mpandika teny. Vitsy kely, ohatra, ny diksionera sy boky tsy ara-pivavahana amin’ny teny tzotzil. Misy fitenim-paritra fito koa ny teny tzotzil. Mila mahay mifidy teny hain’ny mpamaky rehetra àry ny mpandika teny.

Hoy ny mpandika teny iray: “Hanampy ny olona hifandray akaiky amin’Andriamanitra ity Baiboly ity satria hita ao ilay anarany hoe Jehovah. Hita ao amin’ny Baiboly roa hafa amin’ny teny tzotzil koa ilay anaran’Andriamanitra saingy eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Eksodosy ihany no misy azy. Ity no Baiboly tzotzil voalohany namerina ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny toerana rehetra tokony hisy azy.” Nilaza koa ny mpitory iray miteny tzotzil hoe: “Lafo be ny Baiboly fandikan-teny hafa, dia vitsy ihany no mahavidy azy. Afaka mahazo an’ity Baiboly ity anefa ny olona rehetra sady tsy itakiana sarany.”

Azo antoka hoe handray soa amin’io Baiboly vaovao io izay olona miteny tzotzil ka “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.