Hijery ny anatiny

17 AOGOSITRA 2020
MEKSIKA

Niditra An-tanety Tany Meksika ny Rivo-doza Hanna

Niditra An-tanety Tany Meksika ny Rivo-doza Hanna

Toerana

Faritr’i Tamaulipas sy Nuevo León, any Meksika

Zava-nitranga

  • Nahatratra ny faritra avatratsinanan’i Meksika ny rivo-doza Hanna, tamin’ny 26 Jolay 2020, rehefa nihena ny heriny. Lasa nisy tondra-drano be tany vokatr’izany

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Fianakaviana 14 no nafindra toerana talohan’ny nahatongavan’ilay rivo-doza, tany Nuevo León

  • Mpitory 100 no tsy maintsy nafindra toerana, tao amin’ny tanànan’i Reynosa, any Tamaulipas

Zavatra Simba

  • Trano 21 no simba tany Nuevo León

  • Trano 117 no simba tany Tamaulipas

Fanampiana Tra-boina

  • Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny sampan’i Amerika Afovoany

  • Mandamina ny fanadiovana an’ireo trano tratran’ny tondra-drano ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any amin’ny toerana tratran’ilay loza

  • Efa afaka nody ny ankamaroan’ireo mpiara-manompo nafindra toerana, any Nuevo León

  • Manome sakafo sy akanjo ho an’ny tra-boina any Tamaulipas ny fiangonana eo an-toerana

Misaotra an’i Jehovah isika fa tsy nisy naratra ny rahalahy sy anabavintsika any. Hita amin’ny fanampiana tra-boina atao any fa “mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana” i Jehovah sy ny vahoakany.—Salamo 46:1.