Hijery ny anatiny

23 JONA 2021
MEKSIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Chol Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Chol Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Ny Rahalahy Robert Batko, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, no namoaka Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny chol, tamin’ny 20 Jona 2021. Navoaka nandritra ny fandaharana iray nalaina video mialoha ilay Baiboly amin’ny endriny elektronika. Olona 800 teo ho eo no nijery an’ilay fandaharana.

Mombamomba an’ilay tetikasa

  • Chol no fiteny be mpampiasa indrindra any amin’ny fanjakan’i Chiapas, any atsimoatsinanan’i Meksika

  • Olona 200 000 eo ho eo no miteny chol

  • Fiangonana 22 sy antoko-mpitory 2 no mampiasa ny teny chol, ary maherin’ny 500 ny isan’ny mpitory

  • Ekipa mpandika teny 3 no nanao an’ilay tetikasa nandritra ny 2 taona sy 3 volana

Nilaza ny rahalahy iray nandray anjara tamin’ilay tetikasa hoe: “Teny fampiasanay andavanandro no ao amin’ilay Baiboly vaovao. Tiako be daholo ny mamaky ny toko ao amin’ilay izy.”

Nisy rahalahy iray koa nilaza hoe: “Mahay teny espaniola aho dia afaka mamaky Baiboly amin’ny teny espaniola. Manohana ny foko kokoa anefa ity fandikan-teny chol ity satria tenin-drazako. Hoatran’ny hoe mihinana sakafo nandrahoina tany an-trano izany aho rehefa mamaky an’ilay izy.”

Fantatsika hoe tena hanampy be an’ireo mpiara-manompo amintsika miteny chol ity Baiboly ity, rehefa mitady ny “harena miafina” ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly, ry zareo.​—Ohabolana 2:4, 5.