Hijery ny anatiny

19 AOGOSITRA 2021
MEKSIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Mixtèque (Guerrero) Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Mixtèque (Guerrero) Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Ny Rahalahy José Nieto, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, no namoaka Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny mixtèque (guerrero), tamin’ny 8 Aogositra 2021. Navoaka tamin’ny endriny elektronika ilay Baiboly, nandritra ny fandaharana iray noraisina video mialoha. Nisy 785 ny mpanatrika an’ilay izy. Hanomboka amin’ny Novambra 2021 ny sampana no hanao pirinty an’ilay Baiboly, ary amin’ny Desambra 2021 na Janoary 2022 ilay izy no halefa any amin’ny fiangonana.

Namaky ny 1 Korintianina 14:9 ny Rahalahy Nieto nandritra an’ilay fandaharana, dia avy eo niteny hoe: “Raha tiana handona ny fon’ny olona ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, dia tokony hatao amin’ny fiteny azon’ny rehetra tsara ilay Baiboly . . . , izany hoe amin’ny fiteny fampiasany isan’andro.”

Miovaova arakaraka ny lanto-peo itenenana azy ny hevitry ny teny iray amin’ny fiteny mixtèque (guerrero). Olona 150 000 eo ho eo no miteny mixtèque any Guerrero, any Meksika. Misy olona mampiasa an’io fiteny io koa any amin’ny faritra hafa any Meksika sy Etazonia, saingy tsy tena fantatra ny isan’izy ireo.

Nilaza ny Rahalahy Lázaro González, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany hoe: “Mipetraka any amin’ny tany mahantra sy feno herisetra ny olona miteny mixtèque (guerrero). Vao mainka ratsy be ny fiainana any izao vokatr’ilay valanaretina COVID-19. Betsaka no lasa mieritreritra hoe tsy miraharaha azy ireo Andriamanitra. Fa rehefa nahazo an’ity ampahany amin’ny Baiboly amin’ny fiteniny ity ry zareo dia izany no manaporofo fa tena miahy azy ireo i Jehovah.”

Roa ihany ny fandikan-tenin’ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny teny mixtèque (guerrero), talohan’ny nivoahan’ity Baiboly ity. Sarotra be anefa ny mahazo an’izay lazain’ireo Baiboly ireo satria olona avy any amin’ny faritra roa samy hafa no nandika an’ilay izy. Voambolana fampiasa any amin’ny faritra nisy azy ihany no nampiasain’ny mpandika an’ireo Baiboly ireo, dia lasa sarotra be ho an’ny olona any amin’ny faritra hafa ny mahazo an’ilay izy.

Mora azo kely ity Baiboly vaovao ity. Ohatra amin’izany ny fomba nandikana an’ilay Matio 5:9 hoe: “Sambatra ny mpampihavana.” Tsy misy teny tokana mahalaza ny hoe “fihavanana” amin’ny teny mixtèque (guerrero). Izao àry ny nandikana an’io andinin-teny io, mba hamoahana marina tsara ny hevitr’ilay izy: “Sambatra izay olona mitady fomba foana mba hisorohana olana aman’olona.” Mitovy tsara amin’ny dikan’ilay teny anglisy izy amin’izay.

Hoy ny mpandika teny iray: “Ny 1 Petera 1:25 no anisan’ny andinin-teny tiako indrindra, dia ilay hoe ‘ny tenin’i Jehovah maharitra mandrakizay.’ Tsy azoko an-tsaina mihitsy hoe nanao ahoana ny fiainako raha tsy nisy ny Baiboly. Tena misaotra an’i Jehovah aho niaro azy io hatramin’izao. Dia izao koa izahay manana an’ilay izy amin’ny fiteny mixtèque (guerrero), ilay tena fiteninay mihitsy!”

Hoy koa ny mpandika teny iray hafa: “I Jehovah mihitsy no nanampy anay tamin’ny alalan’ny fanahiny masina. Vao mainka aho izao resy lahatra mihoatra noho ny hatramin’izay hoe tsy vato misakana mihitsy ny fiteny amin’i Jehovah. Mbola nasehony anay indray hoe ‘tsy voafatotra’ ny Teniny.”​—2 Timoty 2:9.