Hijery ny anatiny

10 JONA 2022
MEKSIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Nahuatl (Avaratr’i Puebla) Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Nahuatl (Avaratr’i Puebla) Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoakan’ny Rahalahy Edward Bunn, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny nahuatl (avaratr’i Puebla), tamin’ny 5 Jona 2022. Niara-navoaka ny Baiboly tamin’ny endrika elektronika sy ny Baiboly vita pirinty. Noraisina video mialoha ilay fandaharana mba halefa hojeren’ny olona, ary 1 500 mahery ny olona nanatrika an’ilay izy.

Any Puebla sy Veracruz, tanàna meksikanina, no misy ny ankamaroan’ny olona miteny nahuatl (avaratr’i Puebla). Tamin’ny 2002 no nisy fiangonana voalohany tamin’io fiteny io. Baiboly fampiasan’ny olona tany no tsy maintsy nampiasain’ny mpitory teny amin’ny fanompoana. Nosoloana hoe Tompo na Andriamanitra anefa ilay anarana hoe Jehovah ao amin’io Baiboly io.

Nilaza ny Rahalahy Bunn tao amin’ilay fandaharana hoe: “Mampirisika anareo izahay hoe tonga dia vakio ity Soratra Grika Kristianina ity. Rehefa mamaky azy ity ianareo, dia afaka matoky tanteraka hoe mampita tsara ny tenin’Andriamanitra amin’ny fiteninareo izy ity.”

Mino isika fa hanampy ny mpiara-manompo amintsika miteny nahuatl (avaratr’i Puebla) ity Baiboly ity, mba hahatonga azy ireo hatanjaka ara-panahy sy hahavita hizara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Marka 13:10.