Hijery ny anatiny

23 JOLAY 2021
MEKSIKA

Nivoaka Tamin’ny Teny Tojolabal Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Tojolabal Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Ny Rahalahy Arturo Manzanares, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Amerika Afovoany, no namoaka Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny tojolabal, tamin’ny 18 Jolay 2021.

Olona 66 000 mahery no miteny tojolabal, ary any Chiapas, any Meksika, any amin’ny faritra atsimoatsinanana manamorona an’i Goatemalà no tena misy azy ireo. Navoaka tamin’ny fandaharana efa noraisina video mialoha ilay Baiboly tamin’ny endrika elektronika, ary nisy 2 800 teo ho eo no nijery an’ilay fandaharana.

Hoy ilay mpandahateny tao amin’ilay fandaharana: “Fa maninona isika no nandika Baiboly tamin’ny teny tojolabal?” Dia izao no namaliany an’izany: “Satria tena mila manana Baiboly manome voninahitra an’i Jehovah, ilay Nampanoratra azy io, isika.”

Hoy ny anabavy iray nanampy tamin’ilay fandikan-teny: “Tena nihetsi-po be aho rehefa namaky ny Jaona 5:28, 29. Azoko sary an-tsaina be hoe iny ny mamanay fa hatsangana amin’ny maty. Efa namaky an’io andinin-teny io imbetsaka aho tamin’ny teny espaniola. Izao anefa aho mamaky an’ilay izy amin’ny fiteniko, dia izay vao tena misy dikany kokoa amiko ilay izy. Tena misaotra betsaka anareo!”

Ilay Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana Tojolabal vaovao any Las Margaritas, any Chiapas

Nifindra tany amin’ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana (BFM) an-dry zareo, any Las Margaritas, any Chiapas, ny mpandika teny nandritra an’ilay tetikasa. Avy any amin’ny biraon’ny sampana ao Amerika Afovoany, any akaikin’i Mexico, ry zareo no nifindra tany amin’ilay BFM. Any amin’ny faritanin’ny mponina miteny tojolabal izao ilay birao, izany hoe any amin’ny 990 kilaometatra miala avy eo amin’ny sampana. Misy sivy izao ny mpandika teny miasa manontolo andro ao amin’ilay BFM, dia misy rahalahy dimy koa manampy ao amin’ilay sampan-draharaha. Mifankahazo resaka ny olona miteny tojolabal na avy any amin’ny faritra samy hafa aza. Misy tsy itovizany kely anefa ny fomba fampiasana ny teny sasany any amin’ny faritra tsirairay. Nitandrina be àry ny mpandika teny rehefa nandika an’ilay Soratra Grika Kristianina, mba ho marina sy ho mora azon’ny ankamaroan’ny olona ilay izy.

Rehefa nandika an’ilay teny hoe “Fanjakan’Andriamanitra”, ohatra, ny mpandika Baiboly maromaro amin’ny teny tojolabal, dia nataony hoe “ilay toerana anomezan’Andriamanitra baiko” na hoe “ilay tanànan’Andriamanitra” ilay izy. Raha tsy olona efa mpampiasa an’ireo teny ireo anefa dia tsy hahazo hoe Fanjakan’Andriamanitra no tiany holazaina amin’izany. Ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tojolabal kosa natao hoe “Fitondram-panjakan’Andriamanitra” ilay izy dia mba tonga dia mora azon’ny olona.

Hoy ny anabavy iray nanatrika an’ilay fandaharana: “Tena hita hoe i Jehovah mihitsy no nanampy ny olona tsirairay nandray anjara tamin’ilay tetikasa. Mora azo mantsy ilay fandikan-teny sady marina, ary mora vakiana. Mino aho hoe hanohina ny fon’ny olona be dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra io fanomezana io.”​—Asan’ny Apostoly 17:27.