Hijery ny anatiny

3 NOVAMBRA 2021
MEKSIKA

Tratran’ny Tondra-drano ny Morontsirak’i Meksika Vokatr’ilay Rivo-doza Pamela

Tratran’ny Tondra-drano ny Morontsirak’i Meksika Vokatr’ilay Rivo-doza Pamela

Namely ny morontsirak’i Meksika ny rivo-doza Pamela, tamin’ny 13 Oktobra 2021. Nitondra rivotra mahery sy oram-be ary tondra-drano ilay rivo-doza, indrindra tany Durango sy Nayarit ary Sinaloa.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy rahalahy sy anabavy naratra

  • Nafindra toerana ny mpitory 112

  • Trano 75 no nisy simba

  • Efitrano Fanjakana 1 no nisy simba

Fanampiana tra-boina

  • Nanao tatitra ireo rahalahy fa efa vonona tsara tamin’ilay rivo-doza ry zareo satria efa nahazo fampahatsiahivana avy amin’ny fandaminana momba ny loza

  • Tany amin’ny havany na ny mpiara-manompo no nipetraka ireo nafindra toerana

  • Mpitory 20 no novatsina sakafo

  • Nampahery an’ireo tra-boina ny anti-panahy

  • Manaraka ny fepetra mifandray amin’ny COVID-19 ny mpiara-manompo rehetra nanampy an’ireo tra-boina

Tonga ara-potoana ny fanampiana an’ireo tra-boina. Hita avy amin’izany hoe tena tia an’ireo rahalahy tratran’ilay loza i Jehovah. Tena ‘fialofana azo antoka’ ilay Andriamanitsika.​—Salamo 59:16.