Hijery ny anatiny

Fiara may nandritra an’ilay fifampitifirana tany Culiacán

8 NOVAMBRA 2019
MEKSIKA

Vavolombelon’i Jehovah Iray no Maty Tamin’ilay Fifampitifirana Tany Culiacán, any Meksika

Vavolombelon’i Jehovah Iray no Maty Tamin’ilay Fifampitifirana Tany Culiacán, any Meksika

Nifampitifitra tamin’ny mpivarotra rongony mirongo fiadiana ny polisy sy mpitandro filaminana any Meksika, tamin’ny 17 Oktobra 2019. Tao Culiacán, any Sinaloa, izany no nitranga ary efa ho iray tapitrisa ny mponina ao. Naharitra ora maromaro ilay izy ka be dia be ny lalana tapaka sy fiara nirehitra. Nisy gadra nitsoaka koa tao amin’ny fonja teo akaiky teo. Olona 14, fara fahakeliny, no maty, araka ny tatitra voaray. Mampalahelo fa anisan’ireo maty ireo ny Rahalahy Noé Beltrán, hoy ny sampan’i Amerika Afovoany.

Noé Beltrán miaraka amin’ny zanany mianadahy

Tany am-piasany ny Rahalahy Beltrán rehefa voan’ny bala very. Manan-janaka telo izy ary 39 taona. Ampaherezin’ny mpiara-manompo sy ny mpiandraikitra ny faritra amin’ny alalan’ny Baiboly i Rocío vadiny sy ny zanany kely.

Misy mpitory 7000 mahery sy fiangonana 80 any Culiacán. Nanova ny fandaharany mifandray amin’ny fivoriana sy ny fanompoana ny fiangonana sasany, nandritra an’ilay fifampitifirana. Nanaraka ny fivoriana avy any an-tranony ny rahalahy sy anabavy sasany. Mampahery be an’izay rehetra niatrika an’iny zava-nitranga tampoka sy nampahatahotra iny ny mpiandraikitra ny faritra.

Malahelo be isika hoe namoy ny ainy ny Rahalahy Beltrán. Mivavaka ho an’ny Ranabavy Beltrán sy ny zanany isika, mba hotohanan’i Jehovah foana izy ireo. Efa tsy andrintsika ny fotoana hanjakan’ny fiadanana eto an-tany, ary tsy halahelo intsony isika fa ho ‘faly tsy misy hoatr’izany.’—Marka 5:42.