Hijery ny anatiny

Mpitory 42 000 mahery no nanolo-tena hanarina ny simba tany Amerika Afovoany.

12 APRILY 2019
MEKSIKA

Vita ny Fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah An’ireo Tratran’ny Horohoron-tany Tany Amerika Afovoany

Vita ny Fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah An’ireo Tratran’ny Horohoron-tany Tany Amerika Afovoany

Nisy horohoron-tany mahery be tany Goatemalà sy Meksika, tamin’ny 2017. Tamin’ny Desambra 2018 no vitan’ny mpiara-manompo ny fanarenana ny simba tany amin’iny faritra iny.

Mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’ilay loza, dia nanao fivoriana maromaro aloha ny sampan’i Amerika Afovoany mba hampaherezana azy ireo. Nisy fivoriana tany Chiapas, Morelos, Oaxaca, Puebla, ary tany Mexico. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 39 no teo ambany fiandraiketan’ny Komitin’ny Sampana, mba handrindrana an’ilay fanarenana.

Mivory miaraka amin’ny mpitory tratran’ilay loza any Morelos i Jesse Pérez, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany.

Rahalahy roa miasa eo amin’ny tafon’ny Efitrano Fivoriambe iray naverina naorina.

Mpitory 42 000 mahery avy amin’ny faritra samihafa no nanolo-tena hanampy tamin’ny asa fanarenana tany Meksika. Trano 619 sy Efitrano Fanjakana 5 ary Efitrano Fivoriambe 2 no naverin’izy ireo naorina. Trano 502 sy Efitrano Fanjakana 53 koa no namboarin’izy ireo. Trano folo no naverin’izy ireo naorina, tany Goatemalà.

Anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah nampiana ry Hernández mianakavy sy ry Santiago mianakavy.

Ry Hernández mianakavy, eo anoloan’ny tranon’izy ireo izay naverina naorina.

Mipetraka any Chalco, 40 kilaometatra avy eo Mexico, ry Hernández. Rava tanteraka ny tranon’izy ireo, tamin’ilay horohoron-tany tamin’ny 19 Septambra 2017. Hoy ny Anabavy Ana María Hernández: “Mafy ny nahazo anay tamin’ireny, nefa nahazo an’izay nilainay foana izahay. Nikarakara be anay ny mpiara-manompo. Tadidiko tsara ilay toerana nisy ny tranonay taloha. Mpiasa an-tsitrapo 50 na mahery no niara-niasa teo mba hanao trano vaovao ho anay. Hatramin’izao ny mpiray tanàna aminay mbola gaga hoe ireny no nataon’ny mpiara-manompo ho anay.” Ankoatra an’izany fanampiana izany, dia nitsidika an-dry Hernández koa ny solontenan’ny sampan’i Amerika Afovoany ary nampahery azy ireo tamin’ny alalan’ny Baiboly.

Ry Santiago mianakavy, eo anoloan’ilay tranony vaovao.

Ilay horohoron-tany tamin’ny 7 Septambra 2017 no nandrava tanteraka ny tranon-dry Santiago. Mipetraka any Juchitán, any amin’ny faritr’i Oaxaca, izy mianakavy. Tsy ampy enim-bolana akory anefa dia nahavita trano vaovao ho azy ireo ny mpiasa an-tsitrapo. Hoy ny Rahalahy Victor Santiago: “Variana aho hoe haingana be ny fandaminan’i Jehovah manome ny fanampiana ilainay. Tsapako hoe hain’i Jehovah tsara izay ilainay dia mikarakara anay izy.”

Hoy ny Rahalahy Jesse Pérez, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany: “Be dia be ny zavatra simban’ireny horohoron-tany roa ireny. Lasa afaka nampiseho anefa ny rahalahy sy anabavy hoe te hanampy amin’ny fanarenana ny simba izy ireo, nandritra ny taona nanaraka an’iny. Betsaka ny mpitory nanome tanana satria te hampiseho hoe tiany ny rahalahiny sy ny anabaviny. Faly isika satria notahin’i Jehovah ireny ‘fanompoana’ ireny.”—2 Korintianina 8:1-4.