Hijery ny anatiny

3 JOLAY 2014
MEKSIKA

Fampirantiana Boky Tany Mexico: Nandray Anjara ny Vavolombelon’i Jehovah

Fampirantiana Boky Tany Mexico: Nandray Anjara ny Vavolombelon’i Jehovah

MEXICO—Anisan’ireo fikambanana 150 mpamoaka boky nandray anjara tamin’ilay hetsika voalohany fampirantiana boky atao hoe Expo Publica, ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Fikambanan’ny Orinasa Mpanonta Boky ao Meksika (CANIEM) no nandamina an’io hetsika io, ho fankalazana ny faha-50 taona niorenany. Natao tao amin’ny Foibe Ara-barotr’i Mexico izy io, tamin’ny 25 Aprily ka hatramin’ny 4 Mey 2014. Olona 20000 teo ho eo no nitsidika an’ilay fampirantiana.

Nampiranty an’ireo karazana boky sy gazety ary video ara-baiboly avoakany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampahafantariny tao koa ny www.pr418.com, tranonkala ofisialin’izy ireo, izay azo akana an’ireo boky ireo amin’ny fiteny 650 mahery. Naka boky 1600 mahery tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitsidika, ary ny sasany nangataka ny hotsidihina any an-tranony. Tsy nampandoavina vola izy ireo satria maimaim-poana daholo ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fampianarana Baiboly ataon’izy ireo any an-tranon’olona.

Hoy i Gamaliel Camarillo, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika: “Tena faly izahay hoe betsaka ny olona nanatona teo aminay, sady nilaza hoe liana amin’ny Baiboly sy tia an’ilay tranonkalanay jw.org. Raisinay hoe manao soa olona izahay rehefa manome an’ireo zavatra ireo ho an’ny olona mila azy nefa be atao. Nahita vokatra tsara mihitsy izahay tamin’iny fampirantiana iny.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048