Hijery ny anatiny

22 MEY 2015
MEKSIKA

Nampiseho Boky Tamin’ilay Fampirantiana Lehibe Tany Meksika ny Vavolombelon’i Jehovah

Nampiseho Boky Tamin’ilay Fampirantiana Lehibe Tany Meksika ny Vavolombelon’i Jehovah

MEXICO—Nasaina handray anjara amin’ny Fampirantiana Boky Iraisam-pirenen’i Guadalajara ny Vavolombelon’i Jehovah. Io no fampirantiana boky lehibe indrindra atao any amin’ny tany miteny espaniola, sady faharoa maneran-tany, manarakaraka ny Fampirantiana Bokin’i Francfort, any Alemaina. Natao tany Guadalajara, any Meksika, ilay izy, tamin’ny 29 Novambra ka hatramin’ny 7 Desambra 2014, ary 760000 mahery ny mpitsidika.

Niisa 4000 mahery no voazara, tamin’ireo boky roa hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa.

Mpanao fanontana 1900 teo ho eo avy any amin’ny firenena 44 no nandray anjara, ary tao koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Baiboly sy boky ara-baiboly no tena nasongadin’ny Vavolombelona tamin’ny trano hevan’izy ireo, anisan’izany ny boky tena ilain’ny fianakaviana, ny tanora, ary ny ankizy.

Hoy i Gamaliel Camarillo, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika: “Tamin’ireo efatra andro nijanonanay teo amin’ilay trano heva, dia efa 10000 mahery ny olona nandalo teo aminay, ary efa ho 29000 ny boky nozarainay maimaim-poana. Tsy hizara boky fotsiny anefa no tanjonay. Natao hampahafantarana ny olona momba ny torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly ny boky sy gazetinay, ary olona an-tapitrisany no efa mandray soa amin’izany isan’andro.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048