Hijery ny anatiny

1 DESAMBRA 2017
MEKSIKA

Be dia Be ny Zavatra Hamboarin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Goatemalà sy Meksika Vokatry ny Horohoron-tany

Be dia Be ny Zavatra Hamboarin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Goatemalà sy Meksika Vokatry ny Horohoron-tany

Amin’ny 1 Desambra no hanomboka ilay asa be hanampiana tra-boina, izay mety hitentina 10 tapitrisa dolara. Trano efa ho 500 sy Efitrano Fanjakana 16 no haverina aorina ary trano maro simba no hamboarina, vokatr’ireo horohoron-tany roa tany Goatemalà sy Meksika tamin’ny Septambra.

MEXICO—Nisy horohoron-tany roa tamin’ny Septambra, ka hanao fanampiana mitohy any Goatemalà sy Meksika ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany. Tena betsaka ny asa mila hatao ary amin’ny 1 Desambra 2017 izany no hatomboka. Nikarakara fanampiana avy hatrany ny sampana taorian’ireo horohoron-tany ka nandefa rano, sakafo, fanafody, ary akanjo ho an’ireo rahalahy tra-boina. Be dia be ny Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana ary tranon’ny mpiara-manompo ravan’ireo horohoron-tany ireo, ka ny hanorina azy ireo indray izao no ifantohana amin’ny fanampiana manaraka.

Nisy horohoron-tany nirefy 8,2 amin’ny mari-drefy Richter tany Chiapas sy Oaxaca, any Meksika, tamin’ny 7 Septambra, ka rahalahy sy anabavy 655 no tsy maintsy niala tamin’ny tranony. Trano 315 sy Efitrano Fanjakana 15 no averina aorina any amin’ireo tanàna roa ireo. Trano 1 039 sy Efitrano Fanjakana 108 ary Efitrano Fivoriambe 3 koa no simba ka mila amboarina.

Nisy horohoron-tany nirefy 7,1 amin’ny mari-drefy Richter tany Mexico sy Morelos ary Puebla, any Meksika, tamin’ny 19 Septambra. Rahalahy sy anabavy 463 no tsy maintsy niala tamin’ny tranony. Trano 158 no rava ka mila averina aorina, ary trano 600 sy Efitrano Fanjakana 39 ary Efitrano Fivoriambe iray no simba ka mila amboarina.

Rahalahy sy anabavy 36 kosa no tsy maintsy niala tamin’ny tranony, tany Goatemalà, taorian’ilay horohoron-tany tamin’ny 7 Septambra. Trano sivy sy Efitrano Fanjakana iray no rava ka haorin’ny mpanao fanorenana sy ny mpiasa an-tsitrapo, ato anatin’ny volana vitsivitsy. Trano 20 sy Efitrano Fanjakana 4 koa no simba ka hamboarin’izy ireo.

Komitin’ny vonjy rano vaky 39 no tafiditra amin’ilay fanampiana. Tombanan’ny Komitin’ny Sampana hoe efa ho 10 tapitrisa dolara no ho lany amin’izany, ary haharitra dimy ka hatramin’ny enim-bolana ny asa. Mpanao fanorenana 30 eo ho eo no efa miomana hifindra any amin’ireo toerana tratran’ny loza, ary 970 no vonona hiasa an-tsitrapo hanampy amin’ny fanorenana. Matoky isika hoe hotahin’i Jehovah ny asa hatao sy ny toe-tsain’izay rehetra “handray anjara amin’ilay fanompoana” an’ireo rahalahy tra-boina.—2 Korintianina 8:4.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Goatemalà: Juan Carlos Rodas +502-5967-6015

Meksika: Gamaliel Camarillo, +52-555-133-3048