Hijery ny anatiny

20 SEPTAMBRA 2017
MEKSIKA

Nampihovotrovotra An’i Meksika Afovoany ny Horohoron-tany 7,1 Amin’ny Maridrefy Richter

Nampihovotrovotra An’i Meksika Afovoany ny Horohoron-tany 7,1 Amin’ny Maridrefy Richter

Nisy horohoron-tany nahatratra 7,1 amin’ny maridrefy Richter tany Meksika afovoany, tamin’ny 19 Septambra 2017. Olona 200 mahery no namoy ny ainy. Voalaza eto ambany ny tatitra voalohandohany avy amin’ny biraon’ny sampan’i Amerika Afovoany.

Nampalahelo fa nisy anabavintsika iray tany Mexico maty tamin’ilay horohoron-tany. Misy anabavy iray koa mbola tsy hita popòka taorian’ny nianjeran’ny tranony. Naratra mafy ny anabavy iray tao amin’ny tanànan’i Puebla. Nisy anabavy iray tany amin’ny Fanjakan’i Meksika nampidirina hopitaly satria naratra.

Voatery nafindra toerana vonjimaika ireo tao amin’ny biraon’ny sampana, saingy efa miverina amin’ny laoniny ny asan’izy ireo. Tsy nisy naratra izy ireo sady tsy nisy zavatra simba be tao amin’ilay toerana.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika foana isika amin’izao fotoan-tsarotra diavin’izy ireo izao. Fantatsika mantsy fa hanohana azy ireo sy mahalala ny “fahoriana manjo” azy ireo i Jehovah.—Salamo 31:7.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Meksika: Gamaliel Camarillo, +52-555-133-3048