Hijery ny anatiny

8 SEPTAMBRA 2017
MEKSIKA

Horohoron-tany Mahery Vaika Tany Meksika

Horohoron-tany Mahery Vaika Tany Meksika

Nisy horohoron-tany nahatratra 8,2 amin’ny maridrefy Richter tany amin’ny morontsiraka atsimon’i Meksika manamorona an’i Pasifika, tamin’ny alakamisy 7 Septambra. Io no horohoron-tany nahery vaika indrindra namely an’i Meksika tato anatin’ny 100 taona. Olona 45, fara fahakeliny, no maty. Mampalahelo fa rahalahy iray sy anabavy roa no namoy ny ainy.

Araka ny tatitra voarainay, dia be dia be ny tranona Vavolombelon’i Jehovah simba na rava tanteraka, ary toy izany koa ny Efitrano Fanjakana maromaro. Simba koa ny Efitrano Fivoriambe anankiroa any Chiapas. Izay aloha hatreto ny vaovao azonay, fa mbola hampahafantarinay eo ihany izay tatitra voarainay.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy ireo foana isika, ary matoky fa hampionona sy hampahery azy ireo i Jehovah.—2 Tesalonianina 2:16, 17.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1-845-524-3000

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52-555-133-3048