Hijery ny anatiny

4 NOVAMBRA 2015
MEKSIKA

Mampianatra Baiboly any Amin’ny Fonjan’i Meksika ny Vavolombelon’i Jehovah

Mampianatra Baiboly any Amin’ny Fonjan’i Meksika ny Vavolombelon’i Jehovah

MEXICO—Nanome mari-pankasitrahana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana any Baja Kalifornia, any Meksika. Mampianatra Baiboly any amin’ny fonja mantsy ny Vavolombelona. Nosoniavin’i Daniel De La Rosa Anaya, sekreteram-panjakana miandraikitra ny filaminana anatiny, sy Jesús Héctor Grijalva Tapia, sekreteram-panjakana miandraikitra ny fonja, ilay taratasy.

Izao no voalazan’ilay taratasy: “Misaotra ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanjakana, amin’ny alalan’ny sekreteram-panjakana miandraikitra ny filaminana anatiny. Tena manampy ny mponin’i Baja Kalifornia ianareo, mahafoy tena ho azy ireo, miasa mafy, ary vonon-kanampy. Manova ny toetran’ny voafonja maro ianareo ary manampy azy ireo ho vonona hiara-miaina tsara amin’ny olona indray rehefa hivoaka ny fonja izy ireo.”

Jesús Manuel López Moreno, talen’ny foibe iray any Mexicali, izay mikarakara ny olona miverina eo anivon’ny fiaraha-monina.

Tsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy tapaka ny fonja maromaro any Baja Kalifornia. Nanomboka nitsidika ny fonja any Mexicali, ohatra, izy ireo tamin’ny 1991, satria nisy voafonja nangataka ny hotsidihin’izy ireo tao. Niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Jesús Manuel López Moreno, talen’ny foibe iray any Mexicali, izay mikarakara ny olona miverina eo anivon’ny fiaraha-monina. Hoy izy: “Tena manampy anay ny fahatongavanareo atỳ sy ny fanampianareo [an’ireo voafonja ireo]. Tianay hatoky tena mantsy izy ireo ka hahavita hiteny hoe: ‘Mba olombelona koa izahay ary manana ny hajanay. Rehefa tonga ny fotoana, dia hiala atỳ izahay ary hiverina any amin’ny fiaraha-monina sy hahavita zavatra tsara.’ ... Misaotra betsaka anareo amin’ny fanampiana.”

Hoy i Gamaliel Camarillo, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika: “Manampy ny olona hahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly no tena ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampianarin’izy ireo koa ny voafonja. Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Mexicali milaza fa valo, fara fahakeliny, ny olona natao batisa raha mbola nanefa ny saziny tao amin’ny fonjan’i Mexicali. Mino izahay fa ny olona rehetra mihitsy no tokony homena fahafahana hianatra Baiboly.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048