Hijery ny anatiny

15 NOVAMBRA 2018
MEKSIKA

Mifanontona ny Loza any Meksika

Mifanontona ny Loza any Meksika

Rivo-doza mahery roa no namely an’i Meksika tamin’ny 23 Oktobra, dia ny Rivo-doza Vicente sy Willa. Niteraka tondra-drano be sy tany nihotsaka tany amin’ny faritra avaratra i Vicente, ary olona 11 no maty. I Willa kosa nitondra oram-be sy rivotra mahatratra 193 kilaometatra isan’ora, ka ravarava ny morontsiraka andrefan’i Meksika, ary olona 4250 no tsy maintsy niala tamin’ny faritra mampidi-doza.

Milaza ny sampan’i Amerika Afovoany, izay miandraikitra ny asa any Meksika, fa tsy nisy rahalahy sy anabavy maty na naratra tamin’ireo rivo-doza roa ireo. Na izany aza, dia mpitory 118 tao Nayarit no tsy maintsy niala tamin’ny tranony ary nafindra tamin’ny toerana avo kokoa. Efitrano Fanjakana iray sy trano maromaro ipetrahan’ny mpiara-manompo any Sinaloa koa no tratran’ny tondra-drano. Tany Michoacán indray, dia trano dimy ipetrahan’ny Vavolombelona no nidiran’ny rano. Efa nodiovin’ny rahalahy sy anabavy any ireo trano sy Efitrano Fanjakana ireo ary efa namboariny ny simba.

Mivavaka isika mba hahavita hiaritra foana ireo rahalahy sy anabavy tratran’ny rivo-doza any Meksika ireo, ary mba ho tsaroan’izy ireo foana ilay fanantenantsika rehetra hoe tsy hisy intsony ny loza araka ny natiora.—2 Korintianina 6:4.