28 OKTOBRA 2014
MEKSIKA
Nanampy ny Tra-boina Tamin’ny Rivo-doza Odile ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika
Namely ny morontsirak’i Baja California Sur ny Rivo-doza Odile, tamin’ny alatsinainy 15 Septambra 2014. Io no rivo-doza mahery indrindra tany, taorian’ny 1967. Nanome sakafo sy rano ary fanafody ho an’ny mpiara-mivavaka aminy tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah teny amin’ny manodidina, taorian’ilay rivo-doza. Tsy nisy Vavolombelona maty na naratra. Rava tanteraka na simba be anefa ny tranon’ny Vavolombelona sasany. Trano 82 no rava tanteraka, ary 85 no simba be, ka fianakaviana 125 no nafindra toerana tany amin’ny Vavolombelona hafa. Efa nandefa taratasy tany amin’ny fiangonana rehetra any ny komitin’ny vonjy rano vaky eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, efatra andro talohan’ilay rivo-doza. Nohazavaina tao hoe ahoana no hiomanana amin’ilay loza. Nafindra tany an-tranon’ny Vavolombelona hafa koa izay Vavolombelona nipetraka tamin’ny trano natahorana ho simba, ka ny anti-panahy Vavolombelona no nandamina izany. Nandefa fanampiana 20 taonina mahery tany amin’ilay faritra niharan-doza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika.
Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:
Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000
Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52 555 133 3048