Hijery ny anatiny

20 SEPTAMBRA 2017
MEKSIKA

Namely ny Morontsiraka Atsimon’i Meksika ny Rivo-doza Max

Namely ny Morontsiraka Atsimon’i Meksika ny Rivo-doza Max

Namely an’i Meksika, tany amin’ny morontsiraka atsimo manamorona an’i Pasifika, ny Rivo-doza Max, tamin’ny 14 Septambra 2017. Nitondra orana sy tafio-drivotra mahery ilay izy ka niteraka tondra-drano be.

Mbola tsy tena fantatra hoe inona avy ny voka-dratsin’ilay izy. Mampalahelo anefa fa maty ny rahalahy iray, tamin’izy niezaka nanampy mpiara-monina anankiray. Efa mandamina fanampiana vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’i Meksika, ary miara-miasa akaiky amin’ny fiangonana any an-toerana mba hanampiana an’ireo mpiara-manompo tra-boina.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Meksika: Gamaliel Camarillo, +52-555-133-3048