Hijery ny anatiny

12 SEPTAMBRA 2017
MEKSIKA

Nandravarava An’i Meksika ny Rivo-doza Lidia

Nandravarava An’i Meksika ny Rivo-doza Lidia

Nandravarava ny Saikinosin’i Baja California any Meksika ny Rivo-doza Lidia, tamin’ny zoma 1 Septambra. Na dia nihena be aza ny herin’izy io ny asabotsy, dia nahatratra 69 santimetatra ny rotsakorana nentiny, ary izany no betsaka indrindra nisy tany hatramin’ny 1933. Olona dimy, fara fahakeliny, no maty.

Nilaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Mexico fa anabavy iray no maty, satria lasan’ny rano tamin’izy handeha hody. Nisy Vavolombelona telo hafa koa nentin’ny rano, saingy soa ihany fa voavonjy. Valo ny tranona Vavolombelona simba be. Efa mikarakara an’ireo tra-boina ny havany sy ny Vavolombelona any an-toerana.

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia no mandamina ny fanampiana an’ireo tra-boina. Ny vola fanomezana ho an’ny asa fitoriana maneran-tany no ampiasain’izy ireo amin’izany.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1-845-524-3000

Meksika: Gamaliel Camarillo, tel. +52-555-133-3048