Hijery ny anatiny

Iray tamin’ireo trano norobain’ilay andian’olona avy amin’ny foko huichol. Lasan’izy ireo daholo ny varavarana sy varavarankely ary ny tafo. Sary kely anatiny: Mpivory ao amin’ny Fiangonana Huichol, noroahina niala tamin’ny tranony.

6 FEBROARY 2018
MEKSIKA

Noterena Hiala Tamin’ny Tranony ny Vavolombelon’i Jehovah Tany Jalisco, any Meksika

Noterena Hiala Tamin’ny Tranony ny Vavolombelon’i Jehovah Tany Jalisco, any Meksika

MEXICO—Nisy nanafika ny rahalahy sy anabavintsika 12, avy amin’ny foko huichol, sy olona 36 mpiara-mivory amin’izy ireo, tamin’ny 4 Desambra 2017. Noroahina niala tamin’ny tranony koa izy rehetra. Andian’olona avy any Tuxpan de Bolaños, tanàna kely iray any an-tendrombohitr’i Jalisco, any Meksika, no nanao an’izany. Tezitra mantsy ireo andian’olona ireo, satria tsy nety nanao ny fombafomba fanaon’ny Huichol ao amin’ny fivavahany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitaraina tany amin’ny manam-pahefana àry ireo rahalahintsika. Nahatsapa mantsy ry zareo hoe nenjehina noho ny fivavahany.

Nangalarin-dry zareo ny fananan’ireo rahalahy sy anabavy. Ny ambiny kosa natsipiny teny ivelany.

Manaja ny fombafomban’ny foko huichol sy ny kolontsainy ny fanjakana meksikanina, ka navelany hahaleo tena sy hanana fahefana kely io foko io. Ireo lohandohany ao amin’ilay foko mihitsy àry no naniraka an’ilay andian’olona. Nihetraketraka tamin’ireo Vavolombelona ry zareo sady nandroaka azy ireo hiala tao an-tranony. Norobain-dry zareo avy eo izay azony norobaina, ohatra hoe ny varavarana sy varavarankely ary ny tafo. Natsipitsipiny tany anaty lavaka kosa ny ambiny. Nentin-dry zareo tany anaty ala avy eo ireo rahalahy sy anabavintsika sady norahonany hoe hovonoina ho faty raha mitady hiverina.

Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny foko huichol, eo ivelan’ny Efitrano Fanjakana.

Nisy solontena avy any amin’ny biraon’ny sampan’i Meksika àry nankany amin’ireo mpiara-manompo amintsika ireo, mba hampahery azy ireo sy hikarakara ny toerana hipetrahany. Niara-nivory tamin’ireto olona ireto koa ny mpahay lalàna misolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah: Ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta any Jalisco, ny mpampanoa lalàna mikarakara ny zon’olombelona, ny mpampanoa lalàna ao amin’ilay faritra, ary ny manam-pahefana miaro ny olona iharan’ny heloka bevava. Efa manadihady an’io raharaha io izao ireo manam-pahefana ireo.

Manazava ny Rahalahy Gamaliel Camarillo, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika, hoe: “Malahelo be izahay satria tsy mba mila ady aman’olona ny mpiara-mivavaka aminay sady manaja ny fomba amam-panao eo an-toerana, nefa ampijalina satria fotsiny hoe tsy mety hanao ny fanaon’ny fivavahana hafa. Tsy eken’ny eritreriny mantsy ny hanao an’izany. Manantena izahay fa handray an-tanana haingana an’ity raharaha ity ny manam-pahefana.”

Mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo namoy ny tranony sy ny fananany ireo isika. Matoky koa isika fa hanome izay ilain’izy ireo foana i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany.—Isaia 32:2.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Meksika: Gamaliel Camarillo, +52-555-133-3048