Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Abraham Lincoln, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mikronezia, no namoaka ny Soratra Grika Kristianina amin’ny fiteny marshall

24 MEY 2019
MIKRONEZIA

Navoaka Tamin’ny Fiteny Marshall ny Soratra Grika Kristianina

Navoaka Tamin’ny Fiteny Marshall ny Soratra Grika Kristianina

Nanao fivoriana manokana tao amin’ny Oniversiten’i Pasifika Atsimo any Majuro, any amin’ny Nosy Marshall, ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 19 Mey 2019. Tamin’izay no navoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny marshall. Afaka nanaraka mivantana an’ilay fandaharana koa ny mpanatrika tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any amin’ny nosin’i Ebeye, 440 kilaometatra mahery avy eo Majuro.

Nisy 339 ny fitambaran’ireo nanatrika an’ilay fivoriana manokana, anisan’izany ireo mpitory 151 any amin’ny fiangonana efatra any amin’ny Nosy Marshall. Ho afaka hampiasa an’io fandikan-teny io any am-pivoriana sy amin’ny fianarana samirery ary eny amin’ny fanompoana ireo mpitory ireo sy ireo mpitory 325 any amin’ny faritany miteny marshall any Etazonia. Olona 61000 eo ho eo no miteny marshall eran-tany.

Hoy ny rahalahy iray nanampy tamin’ilay tetikasa fandikan-teny: “Io Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao io no fandikan-teny maoderina voalohany namerina ny anaran’i Jehovah tamin’ny toerana tokony hisy azy, amin’ny fiteny marshall. Azon’ny rahalahy sy anabavy atokisana tsara io fandikan-teny io. Hitombo foana ny fitiavany an’i Jehovah rehefa mamaky azy io izy ireo.”

Mahafaly antsika izany vaovao izany. Porofo izany hoe tahin’i Jehovah ny asa fandikan-teny amin’ny fiteny maro samihafa, na ny be mpampiasa na ny vitsy mpampiasa.—Salamo 49:1, 2.