19 OKTOBRA 2023
MIKRONEZIA
Nivoaka Tamin’ny Teny Chuuk Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Navoakan’ny Rahalahy Carlito Dela Cruz, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mikronezia, tamin’ny teny chuuk Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 1 Oktobra 2023. Nampandrenesana nandritra ny fivoriana manokana iray tany Chuuk, any Mikronezia io vaovao io, ary nisy 83 ny mpanatrika tamin’izay. Nisy olon-kafa 435 koa nanaraka an’ilay fivoriana tamin’ny alalan’ny video, anisan’izany ireo fiangonana sy antoko-mpitory miteny chuuk any Guam sy any Etazonia. Tonga dia afaka naka ny endrika elektronika tamin’io Baiboly io ry zareo. Hahazo Baiboly vita pirinty kosa izy ireo amin’ny Janoary 2024.
Ny mponina any amin’ireo nosin’i Chuuk no tena mampiasa ny fiteny chuuk. Any andrefan’ny Oseana Pasifika no misy azy ireo, ary anisan’ny Fanjakan’i Mikronezia ireo nosy ireo. Tamin’ny 1978 no nanomboka nandika boky sy gazety ara-baiboly ho amin’ny fiteny chuuk ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy 180 eo ho eo izao ny rahalahy sy anabavy manompo amin’ny fiteny chuuk, ka ny sasany any amin’ny fiangonana roa miteny chuuk any amin’ireo nosin’i Chuuk, ary ny hafa indray any amin’ny fiangonana iray any amin’ny nosin’i Guam. Misy amin’izy ireo koa manompo any amin’ny fiangonana iray sy antoko-mpitory telo, ary antoko-mpitory santatra iray any Etazonia.
Na dia misy amin’ny fandikan-teny hafa aza ny Baiboly amin’ny fiteny chuuk, dia maro amin’izy ireny no tsy mampiasa an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Naverina ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy kosa anefa ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hoy ny Rahalahy Dela Cruz: “Matoky aho fa hanampy olona be dia be miteny chuuk io fandikan-teny io. Dia tsy hoe hahafantatra ny anaran’i Jehovah fotsiny ry zareo amin’izay, fa ho akaiky azy koa”.
Faly be isika satria nivoaka tamin’ny teny chuuk Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hanampy olona maro ‘izay manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ hahafantatra an’i Jehovah mantsy izy io.—Asan’ny Apostoly 13:48.