Hijery ny anatiny

2 NOVAMBRA 2018
MIKRONEZIA

Mandravarava An’ireo Nosy Mariannes Avaratra ny Rivo-doza Yutu

Mandravarava An’ireo Nosy Mariannes Avaratra ny Rivo-doza Yutu

Namely an’ireo Nosy Mariannes Avaratra ny rivo-doza mahery Yutu, tamin’ny 24 Oktobra 2018. Ny nosy Saipan sy Tinian no tena voa mafy tamin’ilay rivotra 280 kilaometatra isan’ora, ka trano maro no rava ary olona an’arivony no tsy mahazo herinaratra.

Ny biraon’ny sampan’i Mikronezia no miandraikitra ny asa any amin’ny Nosy Mariannes Avaratra. Tsy nisy maty na naratra ny mpiara-manompo any, araka ny tatitra avy amin’io sampana io. Trano 15 ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa no rava tanteraka ary trano 40 no simba. Misy simba kely koa ny tranon’ny misionera any Saipan sy ny Efitrano Fanjakana any Saipan sy Tinian.

Mandamina ny fizarana ny fanampiana an’ireo tra-boina ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky. Ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana koa no mikarakara an’ireo mpitory tsy maintsy niala tamin’ny tranony. Ho any amin’ny toerana tratran’ilay loza ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana mba hanome fampaherezana amin’ny alalan’ny Baiboly.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy tratran’ny hetraketraky ny natiora ireo isika. Mampahery antsika ny mahalala fa “akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah” ary “hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.”—Salamo 145:18, 19.