Hijery ny anatiny

Rahalahy Amaro Teixeira, mamoaka Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny ndau

2 MARTSA 2021
MOZAMBIKA

Nahavita Zavatra Miavaka be ny Vavolombelon’i Jehovah fa Namoaka ny Baiboly Tany Mozambika

Efa Misy Amin’ny Fiteny 200 Izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nahavita Zavatra Miavaka be ny Vavolombelon’i Jehovah fa Namoaka ny Baiboly Tany Mozambika

Nivoaka tamin’ny fiteny ndau Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 28 Febroary 2021. Feno 200 izao ny fiteny nandikana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, na ny ampahany aminy, rehefa nivoaka io Baiboly io. Iray andro talohan’izay, dia nivoaka tamin’ny fiteny chuabo koa Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio, tamin’ny 27 Febroary.

Ny rahalahy Amaro Teixeira, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika no nanao ny lahateny namoahana an’ilay Baiboly. Navoaka tamin’io fotoana io koa ny endrika elektronika tamin’ilay izy. Nalaina video mialoha ilay lahateny dia izay no nojeren’ny mpitory. Nalefa tamin’ny tele sy radio maromaro tany an-toerana koa ilay fandaharana. Hatao bokikely koa Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio amin’ny fiteny chuabo. Misy 64 pejy izy io ary natao ho an’izay tsy manana fitaovana elektronika.

Mponina 1,4 tapitrisa no miteny chuabo any amin’ny Faritany Zambezia, ary mpitory 492 no manompo any amin’ny faritra mampiasa an’io fiteny io.

Nilaza ny rahalahy Nicholas Ahladis, miara-miasa amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny any amin’ny Foibe, hoe: “Nahavita fandrosoana lehibe isika rehefa namoaka ny bokin’i Matio amin’ny fiteny chuabo. Tsy mora ny nahazo an’ilay Baiboly nampiasaina teo aloha sady sarotra ny teny ampiasaina ao amin’ilay izy.”

Olona 1,1 tapitrisa no mampiasa ny fiteny ndau any Mozambika afovoany, anisan’izany ny mpitory 1 500.

Nisy loza telo lehibe nitranga nandritra ny fandikana an’ilay Baiboly tamin’ny fiteny ndau. Nandravarava an’i Mozambika ny Rivo-doza Idai, tamin’ny 2019. Niatrika ny valanaretina COVID-19 hoatran’ny mponina rehetra eran-tany ny olona tao Mozambika ny taona nanaraka an’izay. Teny am-piandohan’ny taona 2021 koa, dia nisy rivo-doza nantsoina hoe Eloise tany Mozambika, ary be dia be ny zavatra simban’ilay izy. Vitan’ireo mpandika teny 5 ihany anefa ilay Baiboly, na dia teo aza izany zava-tsarotra izany.

Hoy ny iray tamin’ny mpandika teny ndau: “Mbola tsy mino foana aho hoe vita iny zavatra niavaka be iny, nefa nisy an’ireny zava-tsarotra be dia be ireny. Tena fahagagana iny amiko! Mihoatra lavitra noho ny fahaizanay sy ny nantenainay mantsy iny. Tena misaotra an’i Jehovah fa izy no tena mendrika hoderaina tamin’iny.”

Nilaza ny rahalahy Ahladis hoe: “Niatrika zava-tsarotra maro ny mpiara-manompo amintsika miteny ndau sy ny mpandika teny, dia lasa tara ilay izy vao nivoaka. Valisoa tsara be ho an’ny mpiara-manompo io Baiboly Soratra Grika Kristianina io. Tena mora azo ilay izy ka tena hampahery sy hanampy ny olona miteny ndau.”

Nilaza ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, hoe: “Manao sorona be sy miatrika olana ny mpandika Baiboly rehetra. Niatrika zava-tsarotra be ilay ekipa nandika an’ilay Baiboly tamin’ny fiteny ndau, anisan’izany ny loza voajanahary. Tena nety tsara àry hoe iny Soratra Grika Kristianina tamin’ny fiteny ndau iny no faha-200 tamin’ny fiteny nandikana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tena ho fitahiana lehibe ho an’ny olona be dia be miteny ndau any Mozambika iny Baiboly iny”

Tena faly isika hoe nahazo Baiboly ny mpiara-manompo amintsika na dia teo aza ilay valanaretina. Marina mihitsy hoe tsy misy na inona na inona mahasakana an’i Jehovah tsy hahatanteraka ny fikasany.​—Isaia 43:13.