Hijery ny anatiny

28 MEY 2019
MOZAMBIKA

Namely ny Faritra Avaratr’i Mozambika ny Rivo-doza Kenneth

Namely ny Faritra Avaratr’i Mozambika ny Rivo-doza Kenneth

Namely ny faritra avaratr’i Mozambika ny Rivo-doza Kenneth, tamin’ny 25 Aprily 2019. Io no rivo-doza faharoa namely an’i Mozambika, taorian’ny Rivo-doza Idai, izay nandravarava tamin’ny Martsa. Niakatra be ny rano ary betsaka ny tany nihotsaka ka maro ny trano rava sy lalana simba be, ka vao mainka nihasarotra ny fiainana.

Tsy nisy maty na naratra ireo mpitory 300 eo ho eo any Cabo Delgado. Rava kosa ny trano 9 nipetrahan’ny mpiara-manompo, ary 16 no simba. Efitrano Fanjakana iray koa no rava ary telo no nisy fahasimbana. Afaka nitsidika ny fiangonana rehetra tratran’ilay rivo-doza sy nampahery azy ireo ny mpiandraikitra ny faritra any sy ny rahalahy iray solontenan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana ary ny rahalahy roa avy ao amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana.

Mivavaka ho an’ny rahalahintsika isika. Miantehitra amin’i Jehovah izy ireo sady matoky hoe hanatanjaka sy hanampy azy ireo “amin’ny fotoam-pahoriana” izy.—Salamo 46:1.